Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANOFANA NY MPIANANY I JESÔSY FIZARANA I

Daty
Sabotsy 10 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 8:22-38; Mat. 20:29-34; Jao. 12:25; Mar. 9:1-50; Mal. 4:5,6; Lio. 9:30,31. 

Tsianjery: "Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy."- Mar. 8:34. 

Mifantoka amin'i Jesôsy sy ny maha-Izy Azy ny tapany voalohany amin'ny bokin'i Marka. Samy manondro ny maha-Mesia Azy ny fampianarany mafonja sy ny fahagagana ataony. Eto amin'ity tapany faharoan'ny boky ity i Jesôsy dia manontany ny mpianany hoe: Manao Ahy ho iza moa ianareo?

Novalian'i Petera tamin'ny feo mafy io fanontaniana io, ary avy hatrany i Jesôsy dia nanomboka nanazava ny fizotry ny diany amin'ny maha-Mesia Azy sy ny hiafaran'izany dia izany, izay fantatsika fa ny hazo fijaliana.

Momba io diany io no ifantohan'ny fampianaran'i Jesôsy ao amin'ny tapany faran'ny Mar. 8 ka hatramin'ny Mar. 10. Nambaran'i Jesôsy mialoha, ao amin'ireo toko ireo, ny momba ny hazo fijaliana. Avy eo dia nanao fampianarana manokana momba ny maha-mpianatra Izy. Mbola manan-danja mandraka ankehitriny ireo lesona lehibe ireo.

Manamarika ity fizarana ity ny nanasitranan'i Jesôsy lehilahy jamba anankiroa samy hafa, ny iray ao afovoan'ny Mar. 8, ary ny iray any amin'ny faran'ny Mar. 10. Mifono fampianarana manaitra momba ny maha-mpianatra ireo fahagagana ireo, izay anomezan'Andriamanitra antsika fahendrena ara-panahy hahafantarantsika an'i Jesôsy sy ny Ialan-kalehany. Nitondra fihaikana teo amin'ny fiainan'ireo mpianatra roa ambin'ny folo lahy ny fampianaran'i Jesôsy 2000 taona lasa izay, ary mbola toy izany koa amin'ireo mpianany ankehitriny. Vidin-dafo tokoa ny fanarahana an'i Jesôsy, ary inona kosa ny tombony? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal