Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MARIMARITRA IRAISANA: HAFETSENA AMPIASAIN'I SATANA 

Daty
Alahady 14 April 2024

Ampitahao amin'ny Jao. 14:6 ny Jao. 8:44. Inona no mampifanohitra ny toetran'i Jesôsy sy ny an'i Satana araka ny hita ao amin'ireo andininy roa ireo?

Marina izay Iazain'i Jesôsy satria Izy no tompon'ny fahamarinana. Avy ao amin'ny fon'Andriamanitra tapitr’ohatra amin'ny fahendrena sy ny fitiavana ary ny fahalalana no iavian'ny fahamarinana. Izy no fototra iorenan'ny zava-misy sy ny fahamarinana rehetra. 
I Satana kosa dia mpandainga sady rain'ny lainga. Vonona ny hampiasa lainga sy famitahana izy, aolany ny fahamarinana ary fanovana ny fahamarinana izy mba hahadiso lalana ny vahoakan'Andriamanitra. Namitaka an'i Eva izy tao Edena tamin'ny alalan'ny fanolanany ny fahamarinana, ny fametrahany fisalasalana tao aminy, ary ny nandavany tsotra izao izay nolazain'Andriamanitra. Mifanohitra mazava amin'ny voalazan'Andriamanitra ny tenin'i Satana hoe "tsy ho faty tsy akory ianareo", raha ny fihinanana ilay voankazo no resahana. Nandritra ny taonjato maro no efa nampiasan'i Satana izany paikady izany. Tsy ahoan'i Satana ny fitokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra, toheriny ny sitrapon'Andriamanitra voambara, aolany ny Soratra Masina, ary indraindray ampiasainy amin'ny tsy izy ny Baiboly mba hanohanany ny asany.

Vakio ny Ohab. 23:23, Jao. 17:17, ary ny Jao. 8:32. Inona no itovian'ireo andinin-tSoratra Masina ireo momba ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra? Inona ny hafatra fototra ampitain'izy ireo?

"Fantatr'i Satana tsara fa hahatonga ny olona hahafantatra ny fitaka ataony sy hanohitra ny fahefany ny Soratra Masina. Na dia ny Mpamonjin'izao tontolo izao aza dia nahatohitra ny famelezany tamin'ny alalan'io teny io. lsaky ny fanafihany, dia nasehon'i Kristy ny ampingan'ny fahamarinana mandrakizay, ka hoy Izy hoe: «Voasoratra  hoe». Ny tolo-kevitra rehetra ataon'ny fahavalo dia nosetrainy tamin'ny fahendrena sy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra. Mba hahazoan'i Satana mitana ny fanapahany eo amin'ny olona sy mba hampiorenany mafy ny fahefan'ny papa ilay mpisando-pahefana, dia tsy maintsy ataony izay tsy hahalalan'izao tontolo izao ny Soratra Masina. Tokony hanandratra an'Andriamanitra ny Baiboly ary hametraka ny olombelona voafetra eo amin'izay tena toerany marina; noho izany dia tsy maintsy hafenina sy foanana ireo fahamarinany masina.

Izany foto-pisainana izany no noraisin'ny Fiangonana Romana. Nandritra ny taonjato maro dia norarana ny fielezan'ny Baiboly. Nosakanana tsy hamaky izany sy tsy hanana izany ao an-tokantranony ny olona, ary ny pretra sy ny eveka tsy ampy fiheverana no nanolana ny fampianaran'ny tenin’Andriamanitra mba hoentiny hanohana ny hambony. Noho izany dia nekena hatraiza hatraiza fa ny papa no solontenan'Andriamanitra eto an-tany, notolorana fahefana amin'ny fiangonana sy ny fanjakana." — HM, t. 51

Ifanakalozy hevitra ireo fomba ampiasain'i Satana ankehitriny mba hanolanana na hanazavana diso ny Tenin'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal