Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MARIMARITRA IRAISANA: HAFETSENA AMPIASAIN'I SATANA 

Daty
Alahady 14 April 2024

Ampitahao amin'ny Jao. 14:6 ny Jao. 8:44. Inona no mampifanohitra ny toetran'i Jesôsy sy ny an'i Satana araka ny hita ao amin'ireo andininy roa ireo?

Marina izay Iazain'i Jesôsy satria Izy no tompon'ny fahamarinana. Avy ao amin'ny fon'Andriamanitra tapitr’ohatra amin'ny fahendrena sy ny fitiavana ary ny fahalalana no iavian'ny fahamarinana. Izy no fototra iorenan'ny zava-misy sy ny fahamarinana rehetra. 
I Satana kosa dia mpandainga sady rain'ny lainga. Vonona ny hampiasa lainga sy famitahana izy, aolany ny fahamarinana ary fanovana ny fahamarinana izy mba hahadiso lalana ny vahoakan'Andriamanitra. Namitaka an'i Eva izy tao Edena tamin'ny alalan'ny fanolanany ny fahamarinana, ny fametrahany fisalasalana tao aminy, ary ny nandavany tsotra izao izay nolazain'Andriamanitra. Mifanohitra mazava amin'ny voalazan'Andriamanitra ny tenin'i Satana hoe "tsy ho faty tsy akory ianareo", raha ny fihinanana ilay voankazo no resahana. Nandritra ny taonjato maro no efa nampiasan'i Satana izany paikady izany. Tsy ahoan'i Satana ny fitokiana amin'ny Tenin'Andriamanitra, toheriny ny sitrapon'Andriamanitra voambara, aolany ny Soratra Masina, ary indraindray ampiasainy amin'ny tsy izy ny Baiboly mba hanohanany ny asany.

Vakio ny Ohab. 23:23, Jao. 17:17, ary ny Jao. 8:32. Inona no itovian'ireo andinin-tSoratra Masina ireo momba ny fahamarinan'ny tenin'Andriamanitra? Inona ny hafatra fototra ampitain'izy ireo?

"Fantatr'i Satana tsara fa hahatonga ny olona hahafantatra ny fitaka ataony sy hanohitra ny fahefany ny Soratra Masina. Na dia ny Mpamonjin'izao tontolo izao aza dia nahatohitra ny famelezany tamin'ny alalan'io teny io. lsaky ny fanafihany, dia nasehon'i Kristy ny ampingan'ny fahamarinana mandrakizay, ka hoy Izy hoe: «Voasoratra  hoe». Ny tolo-kevitra rehetra ataon'ny fahavalo dia nosetrainy tamin'ny fahendrena sy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra. Mba hahazoan'i Satana mitana ny fanapahany eo amin'ny olona sy mba hampiorenany mafy ny fahefan'ny papa ilay mpisando-pahefana, dia tsy maintsy ataony izay tsy hahalalan'izao tontolo izao ny Soratra Masina. Tokony hanandratra an'Andriamanitra ny Baiboly ary hametraka ny olombelona voafetra eo amin'izay tena toerany marina; noho izany dia tsy maintsy hafenina sy foanana ireo fahamarinany masina.

Izany foto-pisainana izany no noraisin'ny Fiangonana Romana. Nandritra ny taonjato maro dia norarana ny fielezan'ny Baiboly. Nosakanana tsy hamaky izany sy tsy hanana izany ao an-tokantranony ny olona, ary ny pretra sy ny eveka tsy ampy fiheverana no nanolana ny fampianaran'ny tenin’Andriamanitra mba hoentiny hanohana ny hambony. Noho izany dia nekena hatraiza hatraiza fa ny papa no solontenan'Andriamanitra eto an-tany, notolorana fahefana amin'ny fiangonana sy ny fanjakana." — HM, t. 51

Ifanakalozy hevitra ireo fomba ampiasain'i Satana ankehitriny mba hanolanana na hanazavana diso ny Tenin'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal