Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Marina indrindra ny teni-vavoloombelonao

Daty
Alakamisy 18 January 2024

Vakio ny Sal. 19:7; Sal. 93:5; Sal. 119:165; Sal. 1:2,6; Sal. 18:30 ary ny Sal. 25:10. Inona ny lohahevitra iraisan'ireo rehetra ireo?

Misy fiantraikany ara-teôlôjia eo amin'ny maha-azo itokiana ny teni- vavolombelon'Andriamanitra ny fahamboniany eo amin'izao tontolo izao amin'ny maha-Mpamorona sy Mpanjaka ary Mpitsara Azy. Ny teni-vavolombelona ('edut amin'ny teny hebreo, "didy", "lalàna") dia manondro ny lalàna sy ny fitsipika izay ifehezan'Andriamanitra ny fiainana ara-pivavahana sy ara-piarahamonin'ny vahoakany (Eks. 32:15). "Marina indrindra" ireo (Sal. 93:5), ary maneho taratra fa nampitoerina ka tsy hihetsika ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny tontolo izay nohariany sy tohanany (Sal. 93:1,2). Ny teny hebreo nadika hoe "marina indrindra" (avy amin'io teny io ny hoe "amena") dia mampita izao hevitra izao: azo itokiana, mahatoky ary mitoetra (2 Sam. 7:16; 1 Tant. 17:23). Tsy miova ny lalàn'Andriamanitra ary tsy mety simba.

Miantoka ny fahamarinan'ny teny fikasany sy ny didiny Andriamanitra. Sady manome antoka ny amin'ny tsy fiovan'ny fitsipiny ny fahatokian'Andriamanitra no mitaky ny hamalian'ny olony izany amin'ny fitokiana Aminy sy ny fankatoavana Azy.

Etsy andanin'izay, dia amin'ny alalan'ny tononkalo no ampitoviana ny tsy fisian'ny rariny eto amin'izao tontolo izao amin'ny fihorohoron'ny fanorenan'ny tany (Sal. 18:7; Isa. 24:18-21). Ny lalàn'Andriamanitra no mampianatra ny olona momba ny lalan'ny fiainana feno fahamarinana izay hahajoro amin'ny fotoam-pitsaran'Andriamanitra. Koa tsy hangozohozo ny marina satria miorina tsara ao amin'ny lalàn'Andriamanitra, izay mampitoetra sy miaro azy, ary ny fo ho tafatoetra ao amin'i Jehovah (Sal. 112:1,6,7). Tsy hisy na inona na inona hahatafintohina ireo izay mitandrina ny didin'Andriamanitra (Sal. 119:165). Midika ho fiarovan'Andriamanitra sy fitarihany eo amin'ny fiainana izany (Sal. 1:2,3,6).

Tondroina ho fanilon'ny tongotry ny mpanao Salamo ny tenin'Andriamanitra, izay miaro azy amin'ny fandrika miafina avelatry ny fahavalo (Sal. 119:105,110). Mazava loatra fa ny fiadanana feno, izay iainan'ireo tia ny didin'Andriamanitra, dia tsy vokatry ny tsy fisian'ny fizahan-toetra mihitsy (Sal. 119:161); tsy izany fa vokatry ny fitoerana eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fifandraisana tsara Aminy izany.

Fomba ahoana no nanampian'ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra sy ny fitsipika ary ny teni-vavolombelona anao teo amin'ny fiainanao? Etsy ankilany, inona no nanjo anao noho ny fandikana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal