Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra ny amboara

Daty
Talata 26 March 2024

Vakio ny Sal. 126. Inona no mitondra hery sy fanantenana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra? Inona no ambara amin'io tontolon-kevitra io izay azontsika ampiharina eo amin‘ny fiinantsika ankehitriny?

Loharano tsy mety ritran'ny faherezana sy fanantenan’ny vahoakan’Andriamanitra ny amin'ny hoavy ny fanafahana mahagaga nataon’Andriamanitra taminy tamin’ny lasa. Lehibe tokoa ny fanafahan’Andriamanitra azy ireo tamin'ny lasa ka toy ny fanandraman'ny nofinofy izay tanteraka no anoritsoritana izany (Isa. 29:7,8). Mariho fa babo ireo taranaka izay midera an’Andriamanitra ao amin’ny Sal. 126 noho ny nanafahany ny vahoakany babo tamin'ny lasa (Sal. 126:1; 4).

lainan’izy ireo indray amin'ny alalan'ny hira ny fifaliana tamin'ny lasa sy ny fahamaivamaivanana ary ampifanarahany amin’ny fanandramany ankehitriny. Hazonin‘ireo taranaka vaovao ho velona ny tantaran'ny Baiboly ka ataony toy ny hoe nanatrika izany niaraka tamin‘ireo niaina izany fanandramana izany izy ireo. Araka izany, ny finoana velona dia mankasitraka ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ho an'ny olony tamin’ny lasa toy ny hoe nataon’Andriamanitra ho antsika mihitsy izany fa tsy zavatra tsotra nataon’Andriamanitra ho azy ireo irery (ireo taranaky ny mpino tamin’ny lasa)..

Raha ny marina, dia mitondra fanantenana vaovao ho an'ny ankehitriny ny fahatsiarovana ny lasa. Ny sarin’ny “riaka any amin‘ny tany atsimo” (Sal. 126:4) dia saryan’ohatra mahery vaika hoenti-milaza ny asa tsy nampoizina ataon’Andriamanitra sy ny fiasany amin-kery ho an'ny vahoakany. Tany hay ny tapany atsimo indrindra tany Joda. Tampotampoka no iforonan'ny sakeli-drano ka tonga rano be izany aorian'ny rotsak’orana be mandritra ny fahavaratra. Nitana anjara toerana lehibe teo ‘amin’ny fahombiazan'ny taom-pambolena ny lohaorana sy ny faraorana (Deo. 11:14; Deo. 28:12). Tahaka izany koa, ny sary maneho ny famafazana amin-dranomaso sy ny fijinjana amim-pifaliana (Sal. 126:5, 6) dia teny fikasana manan-danja momba ny fitarihan’Andriamanitra avy amin’ny toe-java-tsarotry ny ankehitriny ho amin’ny hoavy feno fifaliana.

Ny fifaranan’ny fotoam-pijinjana no fotoana nitondran'ireo Hebreo fahiny ny voaloham-bokatra ho any amin’ny tempolin'i Jehévah tany Jerosalema (Eks. 34:22, 26). Nitondra lesona ara-panahy ho an'ny olona tamin'izany fotoana izany ny lohahevitry ny fijinjana. Tahaka ny asa mafin’ny famafazana sy ny fiasana ny tany sy ny tanimboly ary ny tanim-boaloboka izay novaliana soa tamin’ny fijinjana feno fifaliana, ny fizahan-toetra samihafa izay mahazo ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa dia hosatrohana ny satroboninahitry ny fifalian’ny famonjena amin'ny andro farany. Manondro ny famerenan’Andriamanitra amin’ny laoniny ny fanjakany eto an-tany, amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, ny sarin'ny fijinjana lehibe (Am6. 9:13-15; Mat. 9:37). Voaresaka indray eto ny lohahevitry ny fiandrasana. Tahaka ny amin’ny fijinjana, dia tsy maintsy miandry isika vao hahita ny voa sy ny vokatry ny asa mafy natao.

Saintsaino ny amin'ny fotoana nahitanao mazava sy miharihary ny « niasan'Andriamanitra teo amin'ny fiainanao sy teo amin'ny fiainan'ny hafa. Ahoana no ahazoanao fanantenana avy amin'ireny fanandramana ireny mba hiatrehanao izay toe-javatra iainanao ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal