Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MPAMONJY TOROTORO FO

Daty
Alahady 07 April 2024

Torotoro ny fon’i Jesôsy raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva ary nitazana ny tanànan’i Jerosalema. Izao no ambaran’ny filazantsaran’i Jaona: « Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy » - Jao. 1:11. Nanao izay rehetra azony natao i Jesôsy mba hamonjena ny olony amin’ny fandravana ho avy amin'ilay tanàna malalan’izy ireo.
Avy amin’ny fo feno fitiavana tsy manam-petra ny fitiavan'i Jesôsy ny olony. Imbetsaka no namerimberenany antso tamim-pitiavana ny mba hibebahan’izy ireo sy hanekeny ny fanasany feno fahasoavana sy famindram-po.

Vakio ny Lio. 19:41-44 sy ny Mat. 23:37,38 ary ny Jao. 5:40. Inona no ambaran'ireo andininy ireo ny amin’ny toe-tsain'i Jesôsy manoloana ny olony sy ny valiny nasetrin'izy ireo ny fanasany feno fahasoavana sy famindram-po? Fanehoana ny toetr’Andriamanitra manao ahoana no hitanao ao?

Sarotra ny hahatakatra toe-javatra iray tahaka ny fandravana an’i Jerosalema rehefa misaintsaina momba ny toetr’Andriamanitra be fitiavana. Ny tantara dia manambara fa an’alina no maty raha nitarika ny miaramilany hanafika ilay tanàna ny jeneraly rômanina Titus. Rava i Jerosalema. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy maro no novonoina. Taiza Andriamanitra raha lehibe toy izany ny fahorian’ny olony? Mazava ny valiny saingy tsy mora ny mandray izany. Torotoro ny fony. Nitomany Izy. Nandritra ny taonjato maro no niezahany hanatratra ny olony. Verin’izy ireo ny fiarovan'Andriamanitra tamin’ny nikomiany tamin’ny Fitiavany feno famindram-po. Tsy misalovana mandrakariva mba hamefy ny vokatry ny safidy ataon’ny olony Izy. Avelany hiseho ireo vokatry ny fikomiana. Tsy Andriamanitra no nahatonga ny fandripahana ireo zaza tsy manan-tsiny nandritra ny fandravana an’i Jerosalema; asan'i Satana fa tsy an’Andriamanitra ny fahafatesana mahatsiravina nihatra tamin’ireo tsy manan-tsiny.

Mahafaly an’i Satana ny ady satria manetsika ny filana ambany indrindra ao am-pon’ny olombelona izany. Nandritra ny taonjato maro dia ny hamitaka sy handrava ary avy eo hanilika ny asa ratsiny ho andraikitr’Andriamanitra no tanjony.

Vakio ny Mat. 24:15-20. Inona ny torolalana omen'i Jesôsy ny olony mba hamonjena azy ireo tsy ho tratry ny fandravana hihatra amin'i Jerosalema?

Tsara ny mahatsiahy fa Jiosy ny fiavian'ny ankamaroan’ny Kristianina nonina tany Jerosalema tamin’ny taona 70 TrK. Nirin’llay Andriamanitra fitiavana ny hiaro olona betsaka indrindra araka izay azony natao tamin’ireo vahoakany. Izany no antony nanomezany torolalana ny amin’ny handosiran'izy ireo rehefa manatona ny tanàna ny tafika rômanina.

Saino ity fanambarana manaraka ity : tsy tsaraintsika araka ny toe-javatra hita manodidina antsika ny toetr’Andriamanitra; mifanohitra amin'izany, sivanintsika ireo toe-javatra rehetra hitantsika amin’ny alalan'ny toetrany be fitiavana araka ny anambarana izany ao amin’ny Baiboly. Nahoana no torohevitra tsara loatra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal