Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MPAMONJY TOROTORO FO

Daty
Alahady 07 April 2024

Torotoro ny fon’i Jesôsy raha nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva ary nitazana ny tanànan’i Jerosalema. Izao no ambaran’ny filazantsaran’i Jaona: « Tonga tany amin’ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy » - Jao. 1:11. Nanao izay rehetra azony natao i Jesôsy mba hamonjena ny olony amin’ny fandravana ho avy amin'ilay tanàna malalan’izy ireo.
Avy amin’ny fo feno fitiavana tsy manam-petra ny fitiavan'i Jesôsy ny olony. Imbetsaka no namerimberenany antso tamim-pitiavana ny mba hibebahan’izy ireo sy hanekeny ny fanasany feno fahasoavana sy famindram-po.

Vakio ny Lio. 19:41-44 sy ny Mat. 23:37,38 ary ny Jao. 5:40. Inona no ambaran'ireo andininy ireo ny amin’ny toe-tsain'i Jesôsy manoloana ny olony sy ny valiny nasetrin'izy ireo ny fanasany feno fahasoavana sy famindram-po? Fanehoana ny toetr’Andriamanitra manao ahoana no hitanao ao?

Sarotra ny hahatakatra toe-javatra iray tahaka ny fandravana an’i Jerosalema rehefa misaintsaina momba ny toetr’Andriamanitra be fitiavana. Ny tantara dia manambara fa an’alina no maty raha nitarika ny miaramilany hanafika ilay tanàna ny jeneraly rômanina Titus. Rava i Jerosalema. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy maro no novonoina. Taiza Andriamanitra raha lehibe toy izany ny fahorian’ny olony? Mazava ny valiny saingy tsy mora ny mandray izany. Torotoro ny fony. Nitomany Izy. Nandritra ny taonjato maro no niezahany hanatratra ny olony. Verin’izy ireo ny fiarovan'Andriamanitra tamin’ny nikomiany tamin’ny Fitiavany feno famindram-po. Tsy misalovana mandrakariva mba hamefy ny vokatry ny safidy ataon’ny olony Izy. Avelany hiseho ireo vokatry ny fikomiana. Tsy Andriamanitra no nahatonga ny fandripahana ireo zaza tsy manan-tsiny nandritra ny fandravana an’i Jerosalema; asan'i Satana fa tsy an’Andriamanitra ny fahafatesana mahatsiravina nihatra tamin’ireo tsy manan-tsiny.

Mahafaly an’i Satana ny ady satria manetsika ny filana ambany indrindra ao am-pon’ny olombelona izany. Nandritra ny taonjato maro dia ny hamitaka sy handrava ary avy eo hanilika ny asa ratsiny ho andraikitr’Andriamanitra no tanjony.

Vakio ny Mat. 24:15-20. Inona ny torolalana omen'i Jesôsy ny olony mba hamonjena azy ireo tsy ho tratry ny fandravana hihatra amin'i Jerosalema?

Tsara ny mahatsiahy fa Jiosy ny fiavian'ny ankamaroan’ny Kristianina nonina tany Jerosalema tamin’ny taona 70 TrK. Nirin’llay Andriamanitra fitiavana ny hiaro olona betsaka indrindra araka izay azony natao tamin’ireo vahoakany. Izany no antony nanomezany torolalana ny amin’ny handosiran'izy ireo rehefa manatona ny tanàna ny tafika rômanina.

Saino ity fanambarana manaraka ity : tsy tsaraintsika araka ny toe-javatra hita manodidina antsika ny toetr’Andriamanitra; mifanohitra amin'izany, sivanintsika ireo toe-javatra rehetra hitantsika amin’ny alalan'ny toetrany be fitiavana araka ny anambarana izany ao amin’ny Baiboly. Nahoana no torohevitra tsara loatra izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal