Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpiaro sy mpanafaka

Daty
Alarobia 24 January 2024

Vakio ny 1 Kôr. 10:1-4. Ahoana no fanazavan'i Paoly ny tantaran'ny fanafahana ny Isiraely? Inona ny lesona ara-panahy tiany ampitaina amintsika amin'izany?

Vakio ny Sal. 114. Ahoana no anoritsoritana amin'ny fomba kanto eto ny nanavotan'Andriamanitra ny vahoaka Isiraely tany Egipta?
Fanehoana kanto ny nanafahan'Andriamanitra ny zanany tamin'ny fanandevozan'ny Egiptianina no hita ao amin'ny Sal. 114.

Manerana ny TT, eny, na ny TV koa aza, ny fanafahana ny Isiraely tamin'ny tany Egipta dia entina anehoana ny herin'Andriamanitra mamonjy ny vahoakany. Izany indrindra no ataon'i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 10:1-4; sary an'ohatra tandindon'ny famonjena ao amin'i Jesôsy Kristy no ahitany ilay tantara manontolo, izay zava-nitranga marina.

Aseho ao amin'ny Sal. 114 koa ny fanafahan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fifehezany ny herin'ny zavaboary amin'ny maha-Mpahary Azy, izay fomba namonjeny ny vahoakany ao amin'ny Eksôdôsy. Maneho ny herin'ny zavaboary sy ny olombelona izay manakantsakana ny lalan'ny Isiraely tsy ho tonga any amin'ny tany Kanana ny ranomasina, ny ony Jordana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana (Deo. 1:44; Jos. 3:14-17). Andriamanitra anefa no manapaka azy rehetra ireo.

Raha ny marina dia voatemitra loza ny lalana mankany amin'ilay Jerosalema any an-danitra ho an'ny ankamaroan'ny zanak'Andriamanitra, amin'ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra. Mampahery azy ireo ny Salamo hijery ankoatra ny tendrombohitra sy ny havoana mba hahita ny Mpahary ny lanitra sy ny tany (Sal. 121:1).

Tao amin'i Jesôsy koa io toe-tsain'ny Sal. 114 io rehefa nampitsahatra ny tafio-drivotra Izy, ary koa rehefa nambarany fa tsy misy tokony hatahoran'ny fiangonana satria efa naharesy izao tontolo izao Izy (Mat. 8:23-27; Jao. 16:33).

Ireo zava-mahatalanjona nataon'ny Tompo ho an'ny vahoakany dia tokony hahatonga ny tany manontolo hangovitra eo anatrehany (Sal. 114:7). Fanekena ny fahefany sy fiankohofana Aminy no tokony handraisana io horohoro na fangovitana io fa tsy fahatahorana mafy tsy akory (Sal. 96:9; Sal. 99:1). Tsy misy tokony hatahoran'ny mpino raha Andriamanitra no eo anilany.

Inona avy ireo loza ara-panahy atrehintsika amin'ny maha-mpino antsika, ary ahoana no hianarantsika miantehitra amin'ny herin'ny Tompo mba hiaro antsika tsy ho resy ao anatin'ireny loza ireny, izay zava-misy eo amin'ny fiainantsika tahaka ny teo amin'ny fiainan'ny mpanao Salamo koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal