Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NITSANGANA TAMIN'NY MATY IREO VAVOLOMBELONA ROA 

Daty
Alarobia 08 May 2024

Vakio ny Apôk. 11:11. Inona ny faminaniana ataon'io andininy io momba ny Tenin'Andriamanitra?

Tamin'ny fiafaran'ny Revolisiona frantsay dia velona indray (ara-panoharana) ny Tenin'Andriamanitra. Nisy ny fifohazana mahery vaika. Nisy tahotra lehibe nahazo ireo izay nahita ny Tenin'Andriamanitra ho tonga hery velon'Andriamanitra ho an'ny famonjena. Tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-18 dia nanangana lehilahy sy vehivavy izay nanolo-tena hitondra ny Filazantsara hatrany amin'ny faran'ny tany Andriamanitra. Nampiely ny hafatry ny Baiboly haingana ny olona, toa an'i William Carey izay nankany Inde sy nandika ny Baiboly amin'ny tenim-paritra indianina am-polony maro. Misiônera maro no nalefa manerana an'izao tontolo izao rehefa natosiky ny herin'ny Baiboly.

Tsy kisendrasendra raha taorian'ny Revolisiona frantsay no teraka ireo ezaka misiônera maneran-tany. Teny velona ny Tenin'Andriamanitra, ary na dia toa "maty" aza izany teo anatrehan'ny olona maro dia velona hatrany tao am-pon'ny mpino ary nitsangana tamin'ny maty mba ho feno fahavelomana, araka ny nolazain'ireo faminanian'ny Apôkalipsy mialoha. "Nirehareha fatratra i Voltaire, mpanoratra frantsay tamin'ny taonjato fahavalo ambinifolo, lehilahy tsy nino an'Andriamanitra, raha niteny indray andro nanao hoe:`Mahavalalanina ahy ny mandre fa olona roa ambinifolo no nanangana ny Fivavahana Kristiana. Hoporofoiko fa olona iray dia ampy handrodana an’izany.' Nisy taranaka nifandimby hatramin'ny nahafatesany, an-tapitrisany ny olona nanampy hiady tamin'ny Baiboly. Nefa sanatria azy ny ho levona, fa tamin'ny toerana izay nisian'ny Baiboly zato tamin'ny andron'i Voltaire, ankehitriny dia misy bokin'Andriamanitra iray alina, eny iray hetsy aza. Araka ny tenin'ny Mpanavao fivavahana anankiray anisan'ny voalohany, mikasika ny fiangonana Kristiana, dia ´riandriana izay nanamongomongo tantanana maro ny Baiboly'." — HM, t. 298.

Vakio ny Sal. 119:89 sy ny Sal. 111:7, 8. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny Baiboly, ary nahoana isika no afaka matoky izany?

Azo atao ny mamely na manafoana ny Tenin'Andriamanitra saingy tsy ho fongana na oviana na oviana izany. Maro amin'ireo izay milaza azy ho Kristianina no manambany ny fahefan'ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba maro samihafa, amin'ny fisalasalany mikasika ny ampahany sasany amin'ny Baiboly na amin'ny fanasongadinana fatratra ny singa maha-olombelona ao amin'izany ka veriny tanteraka ny fanombohan-kasen'Andriamanitra, ary tonga osa ny fahamarinan'Andriamanitra.

Tsy tokony hamela ny tenantsika ho voataonan'ireo famelezana atao amin'ny Tenin'Andriamanitra isika. Mbola velona izany ankehitriny, miteny amin'ny fon'olombelona, manome aina vao ho an'ireo izay vonona hihaino azy sy hanaraka ny fampianarany.

Inona avy ireo faminaniana miantefa aminao manokana, ary nahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal