Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOVONOINA IREO VAVOLOMBELONA ROA

Daty
Talata 07 May 2024

Vakio ny Apôk. 11:7-9. Amin'ny fitadidiana fa ara-tandindona ny teny ampiasaina eto, Inona no ambaran'ireo andininy ireo mialoha fa hitranga amin'ireo vavolombelon'Andriamanitra roa, ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao?

 Nirodana ny fanjakana romanina jentilisa tamin'ny taona 538 TrK. Nanolotra ny fahefany sivily sy ara-politika ary ara-pivavahana tamin'ny papa Vigillis i Justinian, amperora romanina. Nanomboka ny fe-potoana lava nanjakan'ny Fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany; nitohy hatramin'ny taona 1798 TrK izany. Niditra tsy nisy fanakanana tao Roma teo ambany fandidian'i Napoleon ny jeneraly frantsay Berthier ny 10 Febroary 1798. Nobaboina ny papa Pie VI ka nentina tany Frantsa, toerana izay nahafatesany. lo daty io no nanamarika ny fiafaran'ny fahefan'ny Eglizy romanina nandritra ny taonjato maro, ireo 1260 andro na taona voatondro ao amin'ny Daniela sy ny Apokalipsy (jereo ny lesona omaly).

Fisehoan'ny fahamarinan'ny faminaniana ara-Baiboly miezinezina manao ahoana re izany! I Daniela izay nanoratra efa ho 500 taona TIK dia naminany marina ireo toe-javatra izay hitranga 2300 taona aty aoriana. Noho izany dia azontsika atao ny mitoky amin'ireo faminaniana nomena ao amin'ny Baiboly. Nandritra izany fotoana izany dia voatahiry ho velona noho ny fijoroan'ny Teny ho vavolombelona ny fa ha marinan'ny Filazantsara. Saingy fihaikana lehibe kokoa no nandrahona ny fahamarinana ara-Baiboly. Niady tamin'ny Soratra Masina ilay bibidia niakatra avy tao amin'ny lavaka tsy hita noanoa (Satana). Nanao fanafihana vaovao tamin'ny fahefan'ny Baiboly tamin'ny alalan'ny Revôlisiona frantsay izay nanomboka tamin'ny taona 1789 izy.

Nandritra ny Revôlisiona frantsay, ny governemanta dia nametraka tamin'ny fomba Ofisialy ny Fanomezan-kasina ny Saina ho fivavahana tsy mino an'Andriamanitra izay tohanan'ny fanjakana haka ny toeran'ny fivavahana kristianina. Lanonana manindrahindra ny Saina no nokarakaraina manerana ny firenena rehetra ny 10 Nôvambra 1793. Novana ho tempolin'ny Saina ny fiangonana rehetra tao Frantsa ary vehivavy velona iray no nomena seza fiandrianana ho andriamanibavin'ny saina. Baiboly maro no nodorana teny amin'ny lalam-be. Nambara fa tsy misy Andriamanitra ary ny fahafatesana dia noheverina ho toy ny torimaso tsy misy fiafarana. Tamin'ny alalan'ny olona maro tsy araka an'Andriamanitra no niasan'i Satana hamono ireo vavolombelon'Andriamanitra roa. Ny fatin'izy ireo dia "hiampatra eny an-dalambe amin'ny tanana lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin'ny hazo fijallana"- A". 11:8. Kolontsain'ny andriamanitra marobe izay nanda Ilay Andriamanitra marina i Egipta (jereo ny Eks. 5:2). Maneho ny fahalotoam-pitondran-tena miharihary i Sôdoma.

Nandritra ny Revolisiona frantsay, ireo vavolombelon'Andriamanitra roa — ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao — dia maty noho ny tsy finoana an'Andriamanitra sy ny faharatsiam-pitondran-tena izay niely patrana rehefa novahana tao anatin'ny Revolisiona sy ny fandatsahan-dra ireo fameperana ara-dalana. Ny Apôk . 11:9 dia milaza fa tsy hampidirina ao am-pasana mandritra ny "hateloan'andro sy tapany' ny fatin'ireo vavolombelon'Andria-manitra roa, "andro" ara-paminaniana izay maneho telo taona sy tapany ara-bakiteny izany. Nahatratra ny tendro faratampony ny tsy finoana an'Andriamanitra nandritra ny Revolisiona frantsay, farafaharatsiny nandritra ny telo taona sy tapany. Teo anelanelan'ny 26 Nôvambra 1793 (daty izay nivoahan'ny didy nanafoanana ny fivavahana tao Paris) ka hatramin'ny 17 Jona 1797 (daty izay nanafoanan'ny governemanta ireo lalàna ara-pivavahana misy fameperana) io vanim-potoana io. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal