Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY ANTON'NY FANOHARANA

Daty
Talata 23 July 2024

Vakio ny Mar. 4:10-12. Nahoana i Jesôsy no nampianatra tamin'ny alalan'ny fanoharana?

Raha vakina ivelambelany fotsiny ireo andalan-teny ireo dia toy ny hoe nampianatra tamin'ny alalan'ny fanoharana i Jesôsy mba hitoeran'ireo any ivelany ao amin'ny haizina. Tsy mifandraika amin'ireo asa nataony any amin'ny andalan-teny hafa ao amin'ny filazantsaran'i Marka anefa izany fomba fijery to izany. Nampalahelo an'i Jesôsy ny hamafin'ny fon'ireo mpitondra fivavahana, tr ao amin'ny Mar. 3:5,6. Ao amin'ny Mar. 3:22-30 indray dia noraisiny tamim-pahamatorana ny tohan-kevitr'ireo mpanora-dalàna ary nohazavainy an-tsipiriany ny antony mahadiso azy ireo. Ao amin'ny Mar. 12:1-12, dia takatr'ireo mpitarika ara-pivavahana fa izy ireo no voaresaka ao anatin'ny fanoharan Jesôsy mikasika ny mpiasa tany nanofa tanim-boaloboka. Raha ny marina dia fampitandremana mikasika ny fiafaran'ny fikasan'izy ireo hamono Azy izany, sy ny vokatra mahatsiravina aterak'izany. Tsy ho nampitandrina azy ireo Izy raha toa tsy nihevitra azy. Araka izany dia ilaina ny mandinika akaiky ny tenin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4 mba hahalalana ny tiany hambara. Averin'i Jesôsy ny zavatra voalaza ao amin'ny Isa. 6:9,10.

Vakio ny Isa. 6:1-13. Inona no nitranga tamin'i Isaia teto, ary inona ny hafatra nampitondraina azy ho an'ny Isiraely?

Mahita fahitana maneho an'Andriamanitra ao amin'ny tempoly i Isaia ka heniky ny voninahitr'Andriamanitra sy ny fahalotoan'ny tenany. Manadio azy Andriamanitra ary maniraka azy amin'ny alalan'ny hafatra manaitra. Tahaka ny ao amin'ny Marka, dia toy ny mihataka amin'ny votoatin'ny bokin'i Isaia izay ahitana fampaherezana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra izany.

Ao amin'ny Isa. 6, dia natao hanairana ny olona hifoha ny hafatra, mba hialan'izy ireo amin'ny lalan-dratsiny. Ao amin'ny Marka kosa dia hita ao amin'ny Mar. 3:35 ny tsiambaratelo hahatakarana ny tény nataon'i Jesôsy. Tsy maintsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ny olona iray mba hahatakarany ny tenin' Jesôsy sy ny fampianarany (Mar. 3:35). Izany no mahatonga ilay olona ho isan'ny ankohonan'i Jesôsy. Tsy hihaino anefa ireo izay efa nihevitra sahady fa misy demonia ao amin'i Jesôsy.

Izao no tian'i Jesôsy hambara araka ny Isa. 6: tsy manilika ny olona Andriamanitra fa ny hevitra mibahana mialoha ao amin'izy ireo sy ny hamafin'ny fony no manakana azy tsy handray ny fahamarinana mahavonjy.

Izany fahamarinana izany no lohahevitra fototry ny fanoharana momba ny mpamafy. Samy misafidy izay karazana tany hotahafiny ny tsirairay ary samy manapa-kevitra raha toa hilefitra amin'i Jesôsy na tsia.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal