Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY ANTON'NY FANOHARANA

Daty
Talata 23 July 2024

Vakio ny Mar. 4:10-12. Nahoana i Jesôsy no nampianatra tamin'ny alalan'ny fanoharana?

Raha vakina ivelambelany fotsiny ireo andalan-teny ireo dia toy ny hoe nampianatra tamin'ny alalan'ny fanoharana i Jesôsy mba hitoeran'ireo any ivelany ao amin'ny haizina. Tsy mifandraika amin'ireo asa nataony any amin'ny andalan-teny hafa ao amin'ny filazantsaran'i Marka anefa izany fomba fijery to izany. Nampalahelo an'i Jesôsy ny hamafin'ny fon'ireo mpitondra fivavahana, tr ao amin'ny Mar. 3:5,6. Ao amin'ny Mar. 3:22-30 indray dia noraisiny tamim-pahamatorana ny tohan-kevitr'ireo mpanora-dalàna ary nohazavainy an-tsipiriany ny antony mahadiso azy ireo. Ao amin'ny Mar. 12:1-12, dia takatr'ireo mpitarika ara-pivavahana fa izy ireo no voaresaka ao anatin'ny fanoharan Jesôsy mikasika ny mpiasa tany nanofa tanim-boaloboka. Raha ny marina dia fampitandremana mikasika ny fiafaran'ny fikasan'izy ireo hamono Azy izany, sy ny vokatra mahatsiravina aterak'izany. Tsy ho nampitandrina azy ireo Izy raha toa tsy nihevitra azy. Araka izany dia ilaina ny mandinika akaiky ny tenin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4 mba hahalalana ny tiany hambara. Averin'i Jesôsy ny zavatra voalaza ao amin'ny Isa. 6:9,10.

Vakio ny Isa. 6:1-13. Inona no nitranga tamin'i Isaia teto, ary inona ny hafatra nampitondraina azy ho an'ny Isiraely?

Mahita fahitana maneho an'Andriamanitra ao amin'ny tempoly i Isaia ka heniky ny voninahitr'Andriamanitra sy ny fahalotoan'ny tenany. Manadio azy Andriamanitra ary maniraka azy amin'ny alalan'ny hafatra manaitra. Tahaka ny ao amin'ny Marka, dia toy ny mihataka amin'ny votoatin'ny bokin'i Isaia izay ahitana fampaherezana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra izany.

Ao amin'ny Isa. 6, dia natao hanairana ny olona hifoha ny hafatra, mba hialan'izy ireo amin'ny lalan-dratsiny. Ao amin'ny Marka kosa dia hita ao amin'ny Mar. 3:35 ny tsiambaratelo hahatakarana ny tény nataon'i Jesôsy. Tsy maintsy manao ny sitrapon'Andriamanitra ny olona iray mba hahatakarany ny tenin' Jesôsy sy ny fampianarany (Mar. 3:35). Izany no mahatonga ilay olona ho isan'ny ankohonan'i Jesôsy. Tsy hihaino anefa ireo izay efa nihevitra sahady fa misy demonia ao amin'i Jesôsy.

Izao no tian'i Jesôsy hambara araka ny Isa. 6: tsy manilika ny olona Andriamanitra fa ny hevitra mibahana mialoha ao amin'izy ireo sy ny hamafin'ny fony no manakana azy tsy handray ny fahamarinana mahavonjy.

Izany fahamarinana izany no lohahevitra fototry ny fanoharana momba ny mpamafy. Samy misafidy izay karazana tany hotahafiny ny tsirairay ary samy manapa-kevitra raha toa hilefitra amin'i Jesôsy na tsia.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal