Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY ARIVO TAONA ETO AN-TANY 

Daty
Talata 25 June 2024

Sary manaitra maneho ny fiverenan'i Jesôsy sy ny fandringanana ireo ratsy fanahy no mamarana ny Apôk. 19. Tsy tapitra eo anefa ny tantara. Miresaka amintsika ny amin'ny vanim-potoana iray maharitra arivo taona ny Apôk. 20.

Vakio ny Apôk. 20:1-3. Inona ny anjara miandry an'i Satana rehefa miverina i Jesôsy ?

Ara-tandindona ny fanoharana hita ao amin'ny Apôk. 20:1-3. Tsy mifatotra amin'ny rojo ara-bakiteny ary koa mihidy ao anatin'ny lavaka iray i Satana. Mandritra ny arivo taona, dia hitoetra eto amin'ity tany mangadihady sy tsy misy mponina ity izy ary hofatoran'ireo toe-javatra izay noforonin'ny tenany. Hitantsika ao amin'ny 2 Pet. 2:4 fa hotehirizina ho amin'ny famaizana amin'ny "fatoran'ny haizina" i Satana sy ireo anjeliny. Hitoka-monina eto an-tany i Satana ka hofatoran'ireo toe-javatra samihafa, tsy hisy na iza na iza azony alaina fanahy amin'izany fotoana izany. Mandritra ny arivo taona no hahitany ny faharavana sy ny fahasimbana ary ny loza izay vokatry ny fikomiany ihany.

Ny teny grika nadika hoe "lavaka tsy hita noanoa" no ampiasaina ao amin'ny Septante (ny dikanteny grikan'ny TT) mba hilazana ny toetry ny tany tamin'ny Famoronana. "Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny Ialina"- Gen. 1:2. Ao amin'ny Septante, ny teny hoe "Ialina" eto dia nadika avy tamin'ny grika abyssos, izay manondro "tany foana." Ny lavaka tsy hita noanoa dia tsy zohy tsy akory na koa lavaka lehibe any amin'ny faritra iray eto amin'izao rehetra izao. Ny asan’ny fahotana sy ny fandravana nataon'i Satana, miaraka amin'ny fikorontanana mahatsiravina mialoha ny fiavian'i Kristy fanindroany, no mamerina ny tany ho vongan-javatra rakotra haizina sy mikorontana tahaka ny toetra nananany tamin'ny fiandohan'ny Famoronana.

Vakio ny Jer. 4:23-26; Jer. 25:33 ary ny Isa. 24:1,3,5. Ahoana no anorisoritan'ireo mpaminanin'ny Baiboly io toe-javatra io?

Asongadin'ny mpaminany eto ny faharavana mahatsiravina hiseho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, ary ambarany koa fa tsy hisy na iza na iza ho velona eto an-tany mandritra ny arivo taona. Havela hahita ny faharavana nateraky ny fikomiany i Satana sy ireo anjely ratsy. Hiaiky indray izao tontolo rehetra izao fa ny fahafatesana no tambin'ny ota. Vahan'Andriamanitra ny olan'ny fahotana ka tsy hisy intsony (Nah. 1:9). Fomba telo lehibe no anaovan'Andriamanitra izany. Voalohany, asehony ny fitiavany tsy manam-petra sy ny faniriany Ialina ary ny fiezahany tsy mety sasatra mba hamonjy ny taranak'olombelona. Faharoa, asehony ny fahamarinany sy ny fitiavany ny rariny. Fahatelo, avelany ho hitan'izao rehetra izao ny vokatra farany ateraky ny fahotana sy ny fikomiana. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal