Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY DRAFITR'ANDRIAMANITRA HO AN'NY FANAMBADIANA

Daty
Alahady 18 August 2024

Vakio ny Mar. 10:1-12, ny Gen. 1:27, ary ny Gen. 2:24. Inona ny fandrika ao ambadiky ny fanontanian'ny Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana, ary inona avy ny lesona nampitain'i Jesôsy tao anatin'ny valin-teniny?

Nanontany an'i Jesôsy ny Fariseo raha ara-dalàna ny fisarahan'ny Iehilahy amin'ny vadiny. Neken'ny Ialàna ny fisaraham-panambadiana teo amin'ny Fariseo. Efa tao anatin'ny nanabeazana azy ireo izany. Ny sekolin'i Samay (vondrona Fariseo tsy niombon-kevitra taminy momba ny antony azo isaraham-panambadiana) dia nametraka fepetra maro kokoa momba izany: tsy azo atao ny misara-bady afa-tsy noho ny tsy fananan-janaka, ny tsy fahavitana mamelona ny ankohonana, ny tsy fitiavana, na ny fijangajangana. Nalalaka kokoa ny sekolin'i Elela, ka namela ny hisaraham-panambadiana saika noho izao antony rehetra izao, na dia nataony sarotra kokoa aza ny harifenitra mba hampitaredretra ny fanatanterahana azy.

Koa somary hafahafa ihany ny nanontanian'izy ireo an'i Jesôsy raha azo atao ny misara-panambadiana. Nentiny hamandrihana an'i Jesôsy izany fanontaniana izany, mba hampisy disadisa Azy amin'i Herôda Antipasy, mpanapaka teo amin'ny faritra atsinanan'i Jordana izay nisy an'i Jesôsy tamin'io fotoana io. Nisaraka tamin'ny vadiny mantsy i Antipasy ary nanambady an'i Herodiasy, izay vadin'ny rahalahiny. Ary notapahin'i Herôda ny lohan'i Jaona mpanao batisa noho ny fananarany azy momba io fanambadiana tsy an-drariny io (jereo ny Mat. 14:1-12).

Fanontaniana no namalian'i Jesôsy ny fanontanian'izy ireo. Hoy Izy tamin'ny Fariseo: "Ahoana no nandidian'i Mosesy anareo?". Izay voasoratra ao amin'ny Deoterônômia 24:1-4 no namalian'ny Fariseo Azy, izay milaza toe-javatra manokana azo anekena ny fanambadiana fanindroany aorian'ny fisaraham-panambadiana. Efa nisy tokoa ny fisaraham-panambadiana teo amin'ny Isiraelita tamin'ny andron'i Mosesy. Natao hiarovana ny vehivavy ireo Ialàna voasoratra ao amin'ny Deo. 24 ireo. Naolan'ny sekolin'i Elela kosa izany tamin'ny andron'i Jesôsy mba hamelana malalaka ny fisaraham-panambadiana saika noho izao antony rehetra izao. Araka izany, ilay Ialàna natao hiarovana ny vehivavy dia nanjary natao hanamorana ny fanilihana azy.

Tsy niady hevitra momba ireo Ialàna manokana tao amin'ny Deoterônômia i Jesôsy fa niverina tamin'ny idealin'Andriamanitra tany am-boalohany ho an'ny fanambadiana, ao amin'ny Genesisy 1 sy 2. Nomarihiny fa tany am-boalohany dia Iahy sy vavy no namoronan'Andriamanitra ny olona (Gen. 1:27), dia olona anankiroa. Avy eo dia nampiarahiny amin'izay voalaza ao amin'ny Gen. 2:24 io fahamarinana io: ny Iehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray izy ireo. lo firaisana io no nanorenan'i Jesôsy ny fanambarany mikasika ny fatoram-panambadiana. Izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

Inona no azon'ny fiangonanareo atao mba hanamafisana orina ny fanambadian'izay rehetra manam-bady ao amin'izany fiangonana izany? Ahoana no hanampianareo izay efa nisara-panambadiana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal