Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANDRESEN'NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA

Daty
Sabotsy 22 June 2024

Hodinihina mandritra ny andro: Apôk. 22:11,12; Jer. 30:5-7; Sal. 91:1-11; Jer. 25:33; Apôk. 21:2; Apôk. 20:11-15.

Tsianjery: "Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabemakelin' Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha."- Apôk. 21:3,4. 

Azontsika atao ny miatrika ny hoavy amin'ny fo feno fanantenana. Na dia hisy aza ny fotoan-tsarotra, na inona na inona fahoriana tsy maintsy holalovantsika, na inona na inona zava-tsarotra tsy maintsy hiaretantsika, na inona na inona alahelo tsapantsika, raha manantena isika fa ho avy ny andro tsara kokoa, dia hiaina fiainana misy heviny sy tanjona ary feno fifaliana isika ankehitriny. Filoham-pirenen'i Etazonia nanomboka tamin'ny 1933 haramin'ny 1945 i Franklin D. Roosevelt, anisan'ny vanim-potoana sarotra indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia izany. Nalemy vokatry ny polio izy ary tsy afaka nandeha raha tsy nisy mpanampy. Izao no nosoratany indray andro: "Isika dia nifikitra mandrakariva tamin'ny fanantenana, sy ny finoana ary ny faharesen-dahatra fa misy tontolo tsara kokoa any ambadiky ny faravodilanitra." I Albert Einstein indray, izay anankiray amin'ireo lehilahy manam-pahaizana indrindra teto an-tany, dia nanoratra hoe: "Mianara amin'ny omaly, iaino ny anio, ary antenao ny ampitso." Izao kosa no nosoratan'ny pôeta anglisy fanta-daza nandritra ny fanjakan'ny mpanjakavavy Victoria, Alfred Lord Tennyson: "Mitsiky eo an-tokonan'ny taona vao mitsidika ny fanantenana, ary mibitsibitsika hoe: 'ho taona sambatra kokoa ity.'"

Ao anatin'ity lesona farany amin'ity telovolana ity no hahitantsika ny fitiavana tsy miova ananan'i Kristy tao anatin'ny fotoana nihotakotaka indrindra teo amin'ny tantaran'izao rehetra izao, ary hahitantsika koa ny fandreseny feno sy tanteraka eo amin'ny fifanandrinana lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. Ny boky farany ao amin'ny Baiboly, ny Apôkalipsy, dia manome fanantenana ho antsika, anio sy rahampitso ary mandrakizay. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal