Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANORENAN'NY FITONDRAM-PANJAKAN'ANDRIAMANITRA

Daty
Sabotsy 25 May 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Apôk. 14:6-12; Mpitt. 12:13, 14; Ohab. 28:9; Dan. 7:25.

Tsianjery: "Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesôsy." – Apôk. 12:17. 

Tamin'ny alalan'ny fandinihana lalina ny Baiboly no nahatakaran'ny Advantista ny hevitry ny lalàna ao amin'ny efitra masina indrindra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra. Tamin'ny fandinihana ny ivon'ny lalàn'Andriamanitra no nahitan'izy ireo koa ny hevitry ny Sabata, ny didy fahefatra. Raha ny marina, io didy io, ambonin'ny hafa rehetra, no manondro mazava an'Andriamanitra ho Mpamorona antsika, ilay fanorenan'ny fiankohofana marina rehetra – lohahevitra izay hisongadina manokana amin'ny andro farany amin'ny tantaran'ny tany (jereo ny Apôk. 14:6-12).

Tanjon'i Satana hatrany am-piandohana ny handrava ny fiankohofana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famelezana ny Lalany. Fantany fa izay diso "amin'ny iray loha" dia "meloka amin'ny rehetra" (Jak. 2:10); noho izany dia mampirisika ny olona izy handika ny lalàn'Andriamanitra. Halan'i Satana ny Sabata satria mampahatsiahy ny olona ny Mpamorona sy ny fomba tokony hiankohofana Aminy. Voarakitra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra koa izany, ao amin'ny efitra masina indrindra any an-danitra. Satria ny lalana no mamaritra ny fahotana, raha mbola miezaka ny ho mahatoky amin'Andriamanitra ny olona dia tokony hanan-kery hatrany ny Lalàny, ao anatin'izany ny didy momba ny Sabata.

Ny tanjon'ity lesona ity dia ny haneho ny fifandraisana misy eo amin'ny Fitoerana Masina, ny lalàn'Andriamanitra, ny Sabata ary ny fotoan-tsarotra ho avy izay mifandraika amin'ny mariky ny bibidia. Hodinihintsika ihany koa ny lanjan'ny Sabata ho an'ny taranaka amin'ny andro farany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal