Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FIAVIAN'NY ZANAK'OLONA

Daty
Alakamisy 05 September 2024

Vakio ny Mar. 13:24-32. Inona ny toe-javatra lehibe tantaraina eto?

Tsy hafa izany fa ny fiverenan'i Jesôsy Kristy amim-boninahitra, ialohavan'ireo famantarana eo amin'ny masoandro amam-bolana ary ny kintana. Ahitana faminaniana marobe manondro io toe-javatra mahatalanjona io ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Manoritsoritra izany an-tsipiriany i Paoly apôstôly ao amin'ny 1 Tes. 4:13-18, izay iresahany momba ireo efa nodimandry ao amin'i Kristy izay hatsangana ho amin'ny fiainana ary hakarina miaraka amin'ireo olona masina mbola velona mba hihaona amin'i Kristy eny amin'ny rahona. Resahin'ny apôstôly an-tsipiriany ao amin'ny 1 Kôr. 15 ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty, izay hiseho amin'ny fiverenan'i Kristy.

Manoritsoritra io andro lehibe io koa i Petera ao amin'ny 2 Pet. 3:3-13, ka hazavainy amin'izany fa tsy mahela ny teny fikasany ny Tompo fa maniry ny hahatongavan'ny rehetra ho amin'ny fibebahana. Sary velona no anehoan'ny Apôkalipsy ny fiverenan'i Kristy (jereo ny Apôk. 1:7, Apôk. 6:12-17, Apôk. 14:14-20, ary ny Apôk. 19:11-21). Izao no fampianarana averin'ny Testamenta Vaovao mandrakariva: ny tenan'i Kristy mihitsy no ho tonga amin'ny fiverenany. Ara-bakiteny izany ary hitan'ny maso sy ren'ny sofina. Ny olona rehetra no hahita Azy rehefa ho avy lzy.

Inona àry no tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe "ity taranaka ity" sy ny hoe "andro izany" na "ora izany"? Manahiran-tsaina olona maro ireo teny ireo satria mazava loatra fa efa maty efa ela ny taranaka nanambaran'i Jesôsy izany.

Vokatr'izany dia misy vahaolana maro mifandraika amin'ireo andalan-teny ireo atolotra ny olona. Misy ireo milaza fa ny teny hoe "taranaka" dia manondro taranaka avy amin'ny firenena iray; ny Jiosy izany. Izany hoe, tsy ho fongana ny firenena jiosy mandra-piverenan'i Kristy. Soso-kevitra iray hafa koa ny amin'ny taranaka iray mahita ny fahatanterahan'ireo famantarana rehetra, izay tsy ho ringana mandra-piverenan'i Kristy.

Vahaolana tsotra kokoa anefa ny fanamarihana fa mampiasa ny teny hoe "ity" ao amin'ny "ity taranaka ity" i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:30, ary ampiasainy ao amin'ny Mar. 13:32 ny teny hoe "izany" ao amin'ny "izany andro na ora izany". Ao amin'ny Mar. 13, dia hita bebe kokoa ao amin'ny and. 1-13 ny teny hoe "ity" (houtos, haute touto), izay miafara amin'ny fandravana an'i Jerosalema. lo teny io no misongadina ao amin'ny tapany farany amin'io toko io.

Araka izany, "ity taranaka ity" dia manondro ny taranaka tamin'ny taonjato voalohany, izay nahita ny fandravana an'i Jerosalema, araka izay ambaran'ny Mar. 13:30. Ny Mar. 13:32 kosa dia miresaka ny amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, izay mbola amin'ny hoavy sy lavitry ny taonjato voalohany. Mampiasa ny teny hoe "izany" ny Mar. 13:32 mba hiresahana toe-javatra hiseho aoriana lavitry ny taonjato voalohany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal