Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FOTOAN-TSAROTRA FARANY

Daty
Talata 26 December 2023

Izao no nolazain'i Jesôsy tamin'ny mpianany sy amintsika: "Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara- pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao."- Mat. 28:19,20. lo no Iraka Lehibe, ary amin'ny lafiny maro, ny hafatry ny anjely telo izay mirakitra antso ho an'ny "firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" - Apôk. 14:6, dia tsy inona fa fahamarinana ankehitriny (2 Pet. 1:12) maneho ilay Iraka Lehibe.

Vakio ny 1 Jao. 4:8; 2 Pet. 3:9; 1 Tim. 2:4, ary ny Gen. 12:3. Nahoana no manan-danja amin' Andriamanitra avokoa ny karazan'olona rehetra?

Ho an'ny olombelona rehetra tsy an- kanavaka ny fitiavan'i Kristy. Mazava ny Baiboly fa ho an'ny olombelona rehetra, tsy miankina amin'ny firazanany, na ny foko misi azy, na antony hafa, no nahafatesan'i Kristy, tsy araka ilay teôlôjia izay mampianatra fa í Kristy dia maty ho an'ireo izay efa voafidy mialoha hovonjena ihany. Raha olombelona ianao día maty ho anao i Kristy. Izay ihany. Ny fanontaniana tokana mipetraka amin'ny tsirairay dia ity: inona no asetrinao ny fahafatesany?

Antoko roa ihany no hiavaka tsara amin'ny fiverenan'i Jesôsy: ireo izay nilefitra tamin'ny fahefan'i Satana tamin'ny alalan'ireo rafitra ara-pivavahana sy ara- pôlitika araka ny ambaran'ny Apok. 13 sy 17, ary ireo nilefitra tanteraka tamin'i Jesosy Kristy ka ny finoany dia hita tamin'ny fitandremany ny (Apok. 14:12). "didin'Andriamanitra"

Hatrany am-piandohana, ny olombelona dia nanana porofo ny amin'ny toetra maha- izy an'Andriamanitra sy ny fombany feno fahamarinana sy fitiavana (Rôm. 1:18-21). Noho izany, ny olombelona rehetra niaina tamin'ireo taona maro efa lasa dia hotsaraina araka ny fomba niarahany niasa tamin' Andriamanitra sy nitondrany ny flainany, tsy miankina amin'ny habetsaky ny zavatra takany na tsia (Rôm. 2:11-16).

Saingy amin'ny andro farany dia hihamazava ny flavahan'ireo antoko roa, ary tsy hohajaina intsony ny fahafahana manaraka ny feon'ny fieritreretana. Hoterena hiandany amin'i Satana ny olona. Ilaina maika ny hitoriana ny filazantsara sy ny hampahafantarana ny olona ireo vaovao lehibe momba ny paikadin'i Satana. Ary izany indrindra no voizina ao amin'ny hafatry ny anjely telo sy votoatin'ny iraka ampanaovina antsika.

Saintsaino ny namoizan'l Kristy ny ainy ho anao manokana. Mety mbola hihevitra ve ianao fa tsy vodonitry ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana izay rehetra vitanao, na ratsy toa Inona aza izany? Nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal