Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY HAFATRY NY ANJELY TELO

Daty
Alakamisy 30 May 2024

Ao amin'ny Apôk. 14:7, ny anjely voalohany dia miantso amin'ny feo mahery hoe: "Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny Ioharano". Ny antson'ny lanitra dia ny hanolorantsika ny fahatokiantsika faratampony sy ny fiankohofantsika amin'ny fo amin'ilay Mpahary eo anatrehan'ny fitsarany mananontanona.

Izao no ambaran'ilay anjely faharoa: "Rava! Rava Babylona hehibe! Izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany'- Apôk . 14:8. Babilôna dia maneho ny rafi-pivavahana tratry ny fihemorana sy ny fahalavoana, izay nanda ny hafatry ny anjely voalohany ka nisafidy ny rafi-piankohofana sandoka. Izany no antony ampitandreman’ny Apôk. 14.9-11 ny olona momba ny fiankohofana amin'ny "bibidia sy ny sariny". Safidy mifanohitra roa no aseho eto: ny fiankohofana amin'ny Mpahary na ny fiankohofana amin'ny bibidia. Handray ny fanapahan-kevitra farany sy tsy azo ovana momba izay iandaniany tanteraka ny olona tsirairay eto amin'ny planeta tany ity — i Jesôsy na i Satana.

Vakio ny Apôk. 14:12. Inona ireo toetra roa ananan'ireo izay manda tsy hiankohoka amin'ny bibidia? Nahoana no zava-dehibe tokoa ireo toetra roa ireo? 

Amin'ny andro farany, Andriamanitra dia hanana olona mahatoky eo anoloan'ny fanoherana lehibe indrindra sy ny fanenjehana mivaivay indrindra eo amin'ny tantaran'ny tany. Noho ny amin'ny fahamarinan'i Kristy izay natolotra azy ho fanomezana no hananany fiainana feno fahasoavana sy fankatoavana. Mifanohitra mivantana amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia ny fiankohofana amin'ny Mpahary, ary aseho amin'ny fitandremana ireo didin'Andriamanitra izany. Ny fiankohofana no fototry ny fifanandrinana farany mahakasika ny fiandaniana amin'i Kristy na amin'ny fahefan'ny bibidia, ary ny Sabata no ivon'izany fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy izany.

Tsy hino an'i Jesôsy fotsiny ihany ireo mpanara-dia feno fanoloran-tena ho an'ny Mpamonjy fa hanana ny finoan'i Jesôsy koa. Ny finoan'i Jesôsy dia finoana lalina, feno fitokiana, feno fanoloran-tena tokoa ka tsy azon'ny devolin'ny helo rehetra sy ny fizahan-toetra rehetra eto an-tany hozongozonina. Izany dia finoana izay matoky na dia tsy mahita aza, mino na dia tsy mahalala ny antony aza, ary manantena na dia tsy mahatakatra aza. Ny "finoan'i Jesôsy" koa aza dia fanomezana izay raisintsika amin'ny finoana. Izany no hanampy antsika hamakivaky ny fotoan-tsarotra ho avy. Rehefa ho avy ny fotoan-tsarotra farany ka tsy hahazo hividy na hivarotra isika, hiatrika fanenjehana sy fampidirana am-ponja ary fahafatesana aza, dia ny finoan'i Jesôsy no hanampy antsika hamakivaky ireo ora farany eto an-tany mandra-pahatonga ny fiverenan'i Jesôsy.

Ahoana no anomanan'Andriamanitra ny finoanao ankehltriny ny amin'izay hiseho amin'ny hoavy? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal