Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY LOHAHEVI-DEHIBE: FITIAVANA SA FITIAVAN-TENA?

Daty
Sabotsy 06 April 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Lio. 19:41—44; Mat. 23:37, 38; Heb. 11:35-38; Apôk. 2:10; Asa. 2:44-47; Jao. 13:35.

Tsianjery : « Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. » – Isa. 41:10.

FAMPIDIRANA

Andeha hataontsika hoe mpiandry ondry miandry ny ondriny eo amin'ny tendrombohitra Oliva ianao ka mahatazana ny tanànan’i Jerosalema. Mandre feo samihafa ianao. Fantatrao avy hatrany ny feon'i Jesôsy. Mahatalanjona anao izay lazainy, sarotra takarina izany ho an’ny mpianany. Raha nampamirapiratra ny tampon'ny tempoly vita amin’ny volamena ny masoandro mody ary nitaratra tahaka ny fangatsakatsaky ny ranomandry teo amin’ireo rindrina tsara tarehy vita amin’ny vatovandana, dia izao no nolazain’i Jesôsy tamin’ny fomba hentitra: “Lazaiko aminareo marina tokoa: tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana" - Mat. 24:2. Very hevitra ireo mpianatra, ianareo koa toraka izany. Inona no tena tian’i Jesôsy hambara amin’ireo teny ireo? Inona no ifandraisan’izany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao izay nanontanian’ireo mpianatr’i Jesôsy?

Mihaino am-pahalianana fatratra ianao raha mitantara am-pahakingana ireo toe-javatra izay hitarika ho amin'ny fandravana an’i Jerosalema sy izay hiseho mialoha ny fiverenany indray i Jesôsy. Hitantsika ao amin’ny fandravana an’i Jerosalema ny tandindon’ny paikadin’i Satana mba hamitahana sy handringanana ny vahoakan'Andriamanitra amin’ny andro farany. Manondro mazava ireo toe- javatry ny andro farany, ao anatin’ny tontolon-kevitry ny faharavan’i Jerosalema, ny torolalana nomen’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 24.

Hodinihintsika ny momba ireo paikady roa nataon'i Satana hamitahana sy handringanana ny vahoakan’Andriamanitra. Izay tsy azon’ilay ratsy atao amin’ny alalan’ny fanenjehana dia antenainy hotanterahina amin’ny alalan’ny marimaritra iraisana. Tsy misy zavatra tampoka amin'Andriamanitra, ary na dia amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza dia miaro ny olony Izy.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal