Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY LOHAHEVI-DEHIBE: FITIAVANA SA FITIAVAN-TENA?

Daty
Sabotsy 06 April 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Lio. 19:41—44; Mat. 23:37, 38; Heb. 11:35-38; Apôk. 2:10; Asa. 2:44-47; Jao. 13:35.

Tsianjery : « Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. » – Isa. 41:10.

FAMPIDIRANA

Andeha hataontsika hoe mpiandry ondry miandry ny ondriny eo amin'ny tendrombohitra Oliva ianao ka mahatazana ny tanànan’i Jerosalema. Mandre feo samihafa ianao. Fantatrao avy hatrany ny feon'i Jesôsy. Mahatalanjona anao izay lazainy, sarotra takarina izany ho an’ny mpianany. Raha nampamirapiratra ny tampon'ny tempoly vita amin’ny volamena ny masoandro mody ary nitaratra tahaka ny fangatsakatsaky ny ranomandry teo amin’ireo rindrina tsara tarehy vita amin’ny vatovandana, dia izao no nolazain’i Jesôsy tamin’ny fomba hentitra: “Lazaiko aminareo marina tokoa: tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana" - Mat. 24:2. Very hevitra ireo mpianatra, ianareo koa toraka izany. Inona no tena tian’i Jesôsy hambara amin’ireo teny ireo? Inona no ifandraisan’izany amin’ny fiafaran’izao tontolo izao izay nanontanian’ireo mpianatr’i Jesôsy?

Mihaino am-pahalianana fatratra ianao raha mitantara am-pahakingana ireo toe-javatra izay hitarika ho amin'ny fandravana an’i Jerosalema sy izay hiseho mialoha ny fiverenany indray i Jesôsy. Hitantsika ao amin’ny fandravana an’i Jerosalema ny tandindon’ny paikadin’i Satana mba hamitahana sy handringanana ny vahoakan'Andriamanitra amin’ny andro farany. Manondro mazava ireo toe- javatry ny andro farany, ao anatin’ny tontolon-kevitry ny faharavan’i Jerosalema, ny torolalana nomen’i Jesôsy ao amin’ny Mat. 24.

Hodinihintsika ny momba ireo paikady roa nataon'i Satana hamitahana sy handringanana ny vahoakan’Andriamanitra. Izay tsy azon’ilay ratsy atao amin’ny alalan’ny fanenjehana dia antenainy hotanterahina amin’ny alalan’ny marimaritra iraisana. Tsy misy zavatra tampoka amin'Andriamanitra, ary na dia amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza dia miaro ny olony Izy.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal