Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY NIANDOHAN'NY FILAZANTSARA

Daty
Sabotsy 29 June 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 13:1-5,13; Asa. 15:36-39; Mar. 1:1-15; Isa. 40:3; Dan. 9:24-27.

Tsianjery: "Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesôsy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara." - Mar. 1:14,15.

Iza moa no nanoratra ny filazantsaran'i Marka, ary nahoana izany no nosoratana? Tsy misy na iray amin'ny filazantsara aza manonona ny anaran'ny mpanoratra azy. Ao amin'ny filazantsaran'i Jaona izao no mety ho azo veroka indrindra izany, noho ilay filazana hoe: "ny mpianatra izay tian'i Jesosy" (jereo ny Jao. 21:20,24).Kanefa hatrany am-piandohana, ireo boky nekena ho Filazantsara dia na mifandray amin'ny apôstôly iray (Matio, Jaona), na amin'ny mpiara-dia amin'ny apôstôly iray. Ohatra, ny filazantsaran'i Lioka dia mifandray amin'i Paoly (jereo ny Kôl. 4:14; 2 Tim. 4:11; Filem. 1:24), ary ny filazantsaran'i Marka dia mifandray amin'i Petera (jereo ny 1 Pet. 5:13).

Na dia tsy manonona ny anarany mihitsy aza ny mpanoratra ny Marka ao amin'ilay boky, ny lovan-tsofin'ny fiangonana voalohany dia milaza fa i Jaona Marka no nanoratra ny filazantsaran'i Marka, izay mpiara-dia amin'i Paoly sy i Barnabasy, nanampy azy ireo tsindraindray (Asa. 13:2,5), ary tatỳ aoriana, niaraka tamin'i Petera (1 Pet. 5:13).

Mandritra ity herinandro ity dia hijery ny amin'i Marka aloha isika, dia ny tsy fahombiazany sy ny nahatafarina azy nony farany, araka ny voatantara ao amin'ny Soratra Masina. Avy eo dia hiompana amin'ny fandinihana ny ampahany voalohany amin'ny bokiny, ka amin'izany dia sady hitazana any aloha isika, any amin'izay tian'ny tantara hahatongavana, no hitodika any amin'ny lasa koa, hahita ny antony nanosika ity misiônera lavo sy mba tafarina ity hanoratra boky toy izao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal