Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TENDROMBOHITRA SY NY VAHOAKA BETSAKA

Daty
Talata 13 August 2024

Vakio ny Mar. 9:1-13. Inona no hitan’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona tamin'ny indray alina niarahany tamin'i Jesôsy?

Nilaza i Jesôsy ao amin'ny Mar. 9:1 hoe: "Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny hery." Tanteraka io faminaniany io andro vitsy taorian'izay, rehefa naka an'i Petera sy i Jakôba ary i Jaona i Jesôsy ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray. Tao Jesôsy no niova tarehy teo anatrehan'izy ireo, tao amin'ny voninahitry ny fanjakan'ny lanitra.

Tonga avy any amin'ny tontolon'ny lanitra i Mosesy sy i Elia ary niresaka tamin'i Jesôsy. Niresaka momba ny fialan'i Jesôsy (exodus amin'ny teny grika), izay efa hefainy any Jerosalema izy ireo, araka ny nosoratan'i Lioka (Lio. 9:30,31). Araka izany, io toe-javatra be voninahitra io dia mifamatotra amin'ilay hahafatesan'i Jesôsy eo amin'ny hazo fijaliana (ampitahao amin'ny Mar. 9:9). Nampaherezana azy ireo izany mba hananany fanantenana rehefa ho hitany voahombo eo amin'ny hazo fijaliana i Kristy.

Ny ampitso, raha nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia nanontany an'i Jesôsy ireo mpianatra telo Iahy momba ny fiavian'i Elia mialoha. lzany fanontaniany izany dia mifandray amin'ny finoan'ny Jiosy fa tsy maintsy hiseho aloha i Elia, izay vao ny Mesia (ampitahao amin'ny Mal. 4:5,6). Namaly i Jesôsy fa efa tonga I Elia; Jaona mpanao batisa no nolazainy tamin'izany. Ary tahaka ny namonoan'izy ireo an'i Jaona dia ho faty eo an-tanany koa i Jesôsy, saingy hitsangana amin'ny maty Izy rehefa afaka hateloana.

Taorian'ilay alina be voninahitra dia korontana mampalahelo no niandry azy ireo teo an-tongotry ny tendrombohitra (Jereo ny Mar. 9:14-29). Nisy zazalahy iray azom-panahy maloto, kanefa tsy nahavoaka ny fanahy ratsy tao aminy ireo mpianatra sivy Iahy nijanona teo. Rehefa tonga nanatona teo i Jesôsy dia nihazakazaka nitsena Azy ny olona. Voasoritsoritra ao amin'ny tantara ny herin'ny demonia nifehy ilay zaza. Toa naka fotoana maharitra i Jesôsy nametrahana fanontaniana momba ny fisehon'ilay toe-javatra manjo ny zaza amin'ny tsipiriany. Nandrotika ny fon'ilay raim-pianakaviana izany, izay nitalaho hoe: "Raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay." - Mar. 9:22.

Avy hatrany dia tsinjon'i Jesôsy ny tsy finoana tao amin'izany teny izany. "Hainao hoe?"- Mar. 9:23, hoy Izy. Tampoka, toy ny tselatra, dia fantatr'ilay raim-pianakaviana fa tsy ny zanany Iahy ihany no nanana olana - ny tenany koa dia nanana olan'ny tsy finoana. Ary ny tsy fahasitranan'ny zanany dia mety ho vokatr'izany tsy finoany izany. Niantoraka tamin'ny famindrampon'i Jesôsy ilay raim-pianakaviana, nanao ireto teny tsy hay hadinoina ireto: "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako!" - Mar. 9:24. Dia nositranin'i Jesôsy ilay zazalahy. 

Tamin’ny toe-javatra manao ahoana no efa nanaovanao hoe: "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako"? Inona ny lesona notsoahinao avy amin'izany fanandramana izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal