Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TENIN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY 

Daty
Alahady 28 April 2024

Vakio ny Sal. 119: 103,104; Sal. 119: 147; sy ny Sal. 119: 104. Manao ahoana ny fandraisan'i Davida ny Tenin'Andriamanitra? Manao ahaoana ny akon'izany teo amin'ireo mpanavao fivavahana? Ary eo amin'ny fiainantsika ankehitriny?

Ny Baiboly no fototra niorenan'ny finoan'ireo mpanavao fivavahana sy votoatin'ny fampianarany. Takatr'izy ireo fa "ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra" - 1 Pet. 1:23 no teo an-tanany. Sarobidy tamin'izy ireo ny voanteny tsirairay avy. Nohatanjahina ny finoan'izy ireo ary nohavaozina ny herim-pony raha namaky ireo takilany sy nino ireo teny fikasany. "Toy izany koa ny amin'ireo teny fikasana rehetra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Miteny amintsika tsirairay Izy amin'ny alalan'ireny, toy ny miteny mivantana ka ny feony tokoa no rentsika. Ao amin'ireo teny fikasana ireo no ahazoan'i Kristy mampita amintsika ny fahasoavany sy ny heriny. 'Ravin'ny hazo izay fanasitranana ny firenena' ireny. Apôk . 22:2. Raha raisina ka tsakotsakoina izy ireny, dia manjary tanjaka ho an'ny toetra amam-panahy, hanentana sy hanohana ny fiainana. Tsy misy zavatra hafa manana hery manasitrana toy izany. Tsy misy zavatra hafa afaka hizara herim-po sy finoana toy izany ka hanome hery mamelombelona ny tena manontolo." — TM F, t. 71.

Mitondra fifaliana mampisava ny alahelontsika ny Soratra Masina, fanantenana ao anatin'ny hakiviantsika, ary fahazavana ao anatin'ny aizina misy antsika. Mitari-dalana antsika ao anatin'ny savorovoro izy, manome toky antsika ao anatin'ny fahaverezan-kevitra, mitondra hery hanampy amin'ny fahosantsika, ary fahendrena ho an'ny tsy fahalalantsika. Rehefa misaintsaina ny Tenin'Andriamanitra isika ka matoky amim-pinoana ny teny fikasany, dia hampahatanjaka ny tenantsika manontolo ny herin'Andriamanitra mpitondra fiainana, na ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po, na koa ara-panahy.

Nofenoin'ireo mpanavao fivavahana Soratra Masina ny sainy. Niveloman'izy ireo ny Teny ary maro tamin'izy ireo no namoy ny ainy noho ny amin'ny Teny. Tsy mba toetran'ireo Kristianina ireo ny tsy rototra, na tsy miraika, na manao rainazy, na maneho fanoloran-tena ivelambelany. Fantany fa raha tsy miaraka amin'ny herin'ny Tenin'Andriamanitra dia tsy hahatohitra ny herin'ny ratsy mirohotra hamely azy izy ireo. Ny fanirian'i John Wycliffe dia ny handika ny Baiboly amin'ny teny anglisy hahafahan'ny olon-tsotra mamaky sy mahatakatra izany. Ary satria noraran'ny lalàna izany dia notsaraina izy noho ny finoany, ka voaheloka ho faty amin'ny maha-heretika azy. Nandritra ny fitsarana azy dia nanao antso avo i Wycliffe. "Araka ny fihevitrareo, (...) iza no iadianareo? Lahiantitra efa eo am-baravaram-pasana ve? Tsia! fa ny Fahamarinana, ny Fahamarinana izay mahery noho ianareo, ka haharesy anareo"  — Wylie, b. 2, toko 13, voalaza ao amin'ny Hery Mifanandrina, t. 91. Tanteraka ireo tenin'i Wycliffe farany rehefa nampisava ny haizin'ny Vanim-potoana Antenantenany ny fahazavan'ny fahamarinan'Andriamanitra.

Fomba ahoana no efa nampaherezan'ny Soratra Masina anao tao anatin'ny fotoam-pitsapana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal