Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY VAOVAO MAHAFALIN'NY EFITRA MASINA INDRINDRA 

Daty
Alarobia 22 May 2024

Vakio ny Heb. 4:14-16 sy ny Heb. 10:19-22. Inona ny toky sy fanasan'Andriamanitra omen'ireo andininy ireo antsika tsirairay avy?

 Izao no hafatr'i Paoly ao amin'ny epistily ho an'ny Hebreo: "aoka (...) hihazona", "hanatona (...) amin'ny fahasahiana", "aza kivy", afantohy amin'i Jesôsy ilay Mpisoronabentsika lehibe ny finoanao. Manana izay rehetra ilaintsika isika ao amin'i Jesôsy. Amin'ny finoana dia azontsika atao ny miditra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra amin'ny alalan'ny "Ialana vaovao sady velona" izay nosokafan'i Jesôsy ho antsika.

Rehefa mijery ny kianja isika dia mahita ny ra eo amin'ireo tandroky ny alitara varahina. Ao amin'ny Fitoerana Masina dia hitantsika ny ra eo amin'ny tandroky ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra. Hitantsika ny ra nafafy teo amin'ny efitra lamba manoloana ny rakotra fanaovam-panavotana.

Manomana ny lalana amin'ny dingana tsirairay ny ran'i Jesôsy. Manome antsika fanantenana izany satria tsy azontsika atao ny hihavana indray amin'Andriamanitra raha tsy mamela antsika i Jesôsy ary mamafa ny fahotantsika. Tsy manam-petra ny famindram-pon'Andriamanitra ary toy izany koa ny fahamarinany. Ny rariny anefa dia tsy afaka hanaiky ny sorona ataon'i Kristy ho fanonerana ny fahadisoantsika raha tsy manome antoka ny hamela ny fahotantsika aloha i Jesôsy ary hamafa izany aorian'izay.

Vakio ny Apôk. 11:19. Ao amin'ny tontolon-kevitry ny fifanandrinana lehibe; nahoana no misy heviny izany fahitana izany? Ahoana no anehoan'izany nv fifandraisana tsy azo tapahina eo amin'ny lalàna sy ny filazantsara?

Eo amin'ny famirapiratana sy ny voninahitry ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny efitra misy ny seza fiandrianan'izao tontolo ary rehetra izao, eo am-pototry ny seza fiandrianan'Andriamanitra no ahitantsika ny lalàn'Andriamanitra ao amin'ny fiaran'ny fanekena. Ao amin'ny efitra masina indrindra no anehoana ny rariny sy ny famindram-pon'Andriamanitra. Tsy misy fahefana eto an-tany afaka manova ny lalàn'Andriamanitra satria, ankoatra ny antony hafa, dia voarakitra ao amin'ny fiaran'ny fanekena any an-danitra izany. Izao no ambaran'ny Heb. 8:10: "Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak’Isiraely, rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehôvah : Dia hataoko ao an-tsainy ny lalako, sady hosoratako ao am-pony, ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko". Rehefa miditra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra amin'ny alalan'ny finoana isika dia mahazo ny famelana ny helotsika tamin'ny lasa ary koa fahafahana miaina fiainam-pankatoavana noho ny amin'i Kristy izay maty ho antsika sy manoratra ny lalana ao am-pontsika. Mahavonjy antsika "tokoa" i Jesôsy (Heb. 7:25). Mamonjy antsika tanteraka sy amin'ny fomba feno Izy -mba hahatonga antsika ho afaka amin'ny sazin'ny fahotana sy ny herin'izany.

Nahoana ny fanelanelanana ataon'i Jesôsy no vaovao mahafaly tokoa? Raha mijoro eo anatrehan'ny lalàna isika araka ny maha-fenitry ny fahamarinana izany, Inona ny fanantenana hananantsika raha tsy eo ny filazantsara? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal