Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

OLONA SALAMA, TONGA ANY AMIN'NY HELO

Daty
Alakamisy 15 August 2024

Vakio ny Mar. 9:42-50. Inona no iraisan'ireo fampianarana ataon'i Jesôsy ao amin'ireo andininy ireo?

Amin'ny voalohany dia toa fampianarana maro tsy misy ifandraisany no natambatra eto, izay sady tsy mifanaraka no tsy misy antony. Rehefa dinihina akaiky anefa dia misy teny mampifandray azy amin'ny eo alohany ny fampianarana tsirairay avy. Teny telo manan-danja no ihodinkodinan'ireo andininy ireo, izay mampiditra fampianarana tsikelikely — "mahatafintohina" na "manafintohina" na "mahatonga hanota"(jereo ny DIEM), "afo", ary "sira".

Momba ny "madinika" ny fampianarana voalohany, izay ilazana ireo izay mbola zaza vao amin'ny finoana. Ny andraikitra apetraka amin'ny mpampianatra sy ny mpitarika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia ny miahy sy mikarakara manokana ireo vao niova fo ireo, dia tahaka ny foto-kevitra voalaza ao amin'ny TT momba ny fitsinjovana ireo marefo indrindra teo amin'ny fiarahamonina fahiny ny mpitondratena, ny kamboty, ary ny vahiny. Nampiasa "filaza matavy" i Jesôsy nanambara fa tsara ho an'izay "mahatafintohina" ny "madinika" ny hatsipy any an-dranomasina ho faty an-drano.

lo teny hoe "mahatafintohina" io, na "mahatonga hanota", dia fiandohan’ny fampianarana lava indrindra ao amin'io ampahan-tSoratra Masina io. Misy fanontaniana roa mahavaka ny sain'ny mpamaky eto. Voalohany, tena mampianatra ny olona hanapaka ny tanany na ny tongony, na hanaisotra ny masony ve i Jesôsy? Faharoa, helo misy afo mirehitra mandrakizay tokoa ve no resahiny? Tsia ny valin’ilay fanontaniana voalohany, tsy mampianatra fanapahana rantsam-batana i Jesôsy - tsy neken'ny jodaisma izany (ampitahao amin'ny Deo. 14:1; 1 Mpanj. 18:27-28. Mampiasa "filazana matavy" fotsiny Izy mba hanazavana ny tiany hambara. Raha ratsy amintsika izany kilemaina tsy misy tanana na tongotra, na poa-maso izany dia mainka ratsy lavitra ho an'ny Kristianina ny manota!

Tsia koa ny valin'ilay fanontaniana faharoa. Tsy mampianatra ny fisian'ny helo misy afo mirehitra mandrakizay tsy akory i Jesôsy. Ahoana no hahafantarantsika izany? Voalohany, manana endrika tantara mahatsikaiky io andinin-tSoratra Masina io. Alao sary an-tsaina ireo olona miditra ny tanànan'ny lanitra, toka-maso, mandringa tsy misy tanana ila. Dia saino indray ny amin'ireo olona mankany amin'ny helo, salama tsy misy nanombinana ny vatany. Tsy tokony ho ny mifamadika amin'izany ve? Olona salama tsara ve no tonga any amin'ny helo? Tantara mahatsikaiky izany. Ny fampiasana tantara mahatsikaiky amin'ny lohahevitra matotra toy izao dia maneho amintsika fa fomba nentin'i Jesôsy hanazavana ny hafany izany. Tsy azo hamaivanina tokoa ny fahotana ka aleo tapa-tanana sy tongotra ary poa-maso toy izay hanota.

Manaraka izany, tsy ny afon'ny helo no mandrakizay fa ny vokany. "Fa lehibe tokoa ny fitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay" - Jao. 3:16 (DIEM). Ringana mandrakizay ireo very fa tsy dorana mandrakizay - Samihafa tanteraka izany! 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal