Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANTARA MIFANOSONA : FIZARANA 2

Daty
Alakamisy 18 July 2024

Vakio ny Mar. 3:20,21. Inona no nahatonga ny fianakavian'i Jesôsy hihevitra Azy ho very saina?

Ny filazana olona iray ho very saina dia teny henjana tokoa. Efa tsy miaro ny ain'ny tenany intsony ilay olona matoa tonga amin'izany tsoa-kevitra izany. Izany no tsapan'ny fianakavian'i Jesôsy momba Azy satria hitany sahiran-doatra Izy ka tsy niato mba hihinan-kanina. Rehefa tapa-kevitra ny haka Azy ny havan'i Jesôsy, dia teo no nisosoka ny tantaran'ireo mpanora-dalána izay nanameloka an'i Jesôsy ho mpiray tsikombakomba amin'ny devoly.

Toa misy fifandraisany hafahafa eo amin'ilay tantara voalohany sy ilay tantara misosoka. Toa mitovy fomba fijery amin'ny mpanora-dalána na dia ny fianakavian'i Jesôsy aza. Very saina Izy, hoy ny havany. Miray tendro amin'ny demonia Izy, hoy ny mpanora-dalana.

Vakio ny Mar. 3:31-35. Inona ny notadiavin'ny fianakavian'i Jesôsy hatao? Ary inona no nasetrin'i Jesôsy izany?

Toa hafahafa ny toe-java-mitranga eto. Raha tonga miantso anao mba te hihaona aminao ny reninao na ny mpiray tampo aminao, tsy tokony hitsena azy ireo ve ianao? Ny olana tamin'io fotoana io dia ity: tsy nifanaraka tamin'ny sitrapon Andriamanitra ny fihetsiky ny fianakavian'i Jesôsy. Fantatr'i Jesôsy izany zava-misy izany, koa nofaritany indray, ao amin'ireo andininy ireo, ny atao hoe fianakaviana. Zanak'Andriamanitra Izy, ary izay rehetra manao ny sitrapon'Andriamanitra no manjary ankohonany.

Misy toe-javatra mahatsikaiky sy mampieritreritra lalina ao amin'ireo tantara roan'ny "Sandwich Story" (tantara mifanosona) nosoratan'i Marka ireo. Ao amin'ilay tantara nasosoka dia milaza i Jesôsy fa izay miady an-trano dia tsy haharitra. Ao amin'ilay tantara voalohany anefa dia toa ny ao an-tranon'i Jesôsy mihitsy no misara-tsaina! Kanefa novahan'i Jesôsy izany olana izany tamin'ny namaritany indray ny atao hoe fianakaviana. Izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no tena ankohonany marina (jereo ny Lio. 12:53, Lio. 14:26).

Hita manerana ny tantara fa matetika ny Kristianina no manjary tafasaraka amin'ny ankohonany. Fanandramana tsy mora izany. Asehon'ireo andininy ao amin'ny Marka ireo fa efa nandalovan'i Jesôsy koa izany zava-tsarotra izany. Tsapany ny manjo ireo izay tratran'io fisarahana mampahory fo io, koa hainy ny mampahery azy ireo amin'izany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal