Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Toky ao anatin'ny fotoan-tsarotra

Daty
Alatsinainy 08 January 2024

Inoana fa samy mahafantatra sy efa niaina tao anatin'ny fahakiviana sy ny fahoriana avokoa ny Kristianina rehetra, dia fotoana izay nampametra-panontaniana azy ireo hoe: inona izao ataon'Andriamanitra izao? Nahoana no avelan'ny Tompo mitranga aminay (na amiko) izao zavatra izao? Efa nandalovan'ireo mpanao salamo koa izany, ary tsindrimandry avy amin'Andriamanitra no nanoratany ny fanandramana efa niainany.

Vakio ny Sal. 44. Inona no ambarany amintsika? Ary nahoana no zava-dehibe ho an'ny mpino rehetra mifandimby izany?

Ny fitsongantsongantsika ny Salamo mandritra ny fanompoam-pivavahana dia matetika maneho fa misy toe-tsaína na teny tsytiantsika aseho mandritra ny fiarahantsika mivavaka amin'ny besinimaro. Tsy haintsika na sarotra amintsika angamba ny miatrika ireo zava-misy mahatsiravina eo amin'ny fiainana ka izany no tsy ampiasantsika ny Salamo sasany. Indraindray mety mahatsapa isika fa tsy an-drariny ny fitondran'Andriamanitra antsika rehefa mamely antsika ny fahoriana, ary mihevitra isíka fa tsy mety ny hanehoana ny fisainantsika mandritra ny fanompoam-pivavahana miaraka amin'ny besinimaro, eny, na ao anatin'ny vavaka mangina ataontsika manokana aza.

Mety handiso antsika ny amin'ny tanjon'ny fivavahana anefa izany tsy fahitsiana izany. Ny tsy fanambarantsika amim-pahatsorana sy tsy amim-pihambahambana ny fihetseham- pontsika sy ny fomba fijerintsika eo anatrehan'Andriamanitra ao anatin'ny vavaka dia matetika mametraka antsika ho andevon'ny fihetseham-pontsika. Mahatonga antsika tsy hanana ilay toky sy fianteherana izay ilaintsika mba hanatonana an'Andriamanitra koa izany. Rehefa ataontsika tonom-bavaka ny Salamo dia mahazo toky isika fa tsy ny manery tena tsy hiaiky ny zavatra tsapantsika tsy akory no tadiavina amintsika rehefa mivavaka sy miankohoka amin'Andriamanitra.

Ny Sal. 44, ohatra, dia mety hanampy ireo mpivavaka tsy manan-tsiny haneho malalaka sy araka ny tokony ho izy ny fahoriana tsapany. Manampy ny olona hahatsapa fahafahana miteny malalaka ao anatin'ny vavaka ataony koa ny fanaovana ny Salamo ho tonom-bavaka. Izay teny tsy tafavoakantsika na tsy sahintsika lazaina no ataon'ny Salamo eo am-bavantsika. "Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny làlanao ny dianay. Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana."- Sal. 44:18,19.

Mariho anefa ny fanombohan'ny Sal. 44. Miresaka momba ny zava-nitranga tamin'ny lasa ny mpanoratra, dia ireo zava-dehibe maro nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany. Noho izany no anehoan'ny mpanoratra ny fitokiany amin'Andriamanitra fa tsy amin'ny tsipikany (Sal. 44:6).

Mbola tratry ny zava-tsarotra ihany ny vahoakan'Andriamanitra na eo aza izany. Lava sady mampahory ny fitanisana ny fahoriana sy ny fitarainana. Kanefa eo anivon'izany rehetra izany dia miantso an'Andriamanitra mba hanafaka azy ilay mpanao Salamo manao hoe: "avoty izahay araka ny famindram-ponao."- Sal. 44:26. Izany hoe fantany tsara ny momba an'Andriamanitra sy ny fitiavany na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra aza.

Rehefa mahatslaro ny lasa lanao, dia ny fotoana nahatsapanao marina ny fanatrehan'Andriamanitra, ahoana no anampian'izany anao hiatrika ny fotoan- tsarotra ankehitriny izay mahatonga anao hihevitra fa toa lavitra Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal