Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TOPY MASO MOMBA NY ASAN'I JESÔSY

Daty
Sabotsy 06 July 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro: Mar. 1:16-45; Jao. 1:29-42; Mar. 5:41; Lio. 6:12; Lev. 13.

Tsianjery: 

"Ary hoy Jesôsy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo." - Mar. 1:17.

Samy mampahafantatra ny fiantombohan'ny asa fanompoana nataon'i Jesõsy S amin'ny fomba manokana ny Filazantsara tsirairay.

Atombok'i Matio amin'ny niantsoan'i Jesôsy ireo mpianatra sy ny nanaovany ny toriteny teo an-tendrombohitra ny filazantsarany.

I Lioka kosa mitantara ny tantaran'ny toriteny voalohany nataon'i Jesôsy indray Sabata tao amin'ny sinagoga iray tany Nazareta.

I Jaona indray dia mitantara ny fiantsoana ny sasany tamin'ireo mpianatra voalohany sy ny fampakaram-bady tao Kana, izay nanatanterahan'i Jesôsy ny famantarana Azy voalohany indrindra.

Ny Filazantsaran'i Marka dia mitantara ny fiantsoana ireo mpianatra efatra sy milazalaza ny amin'ny Sabata iray tany Kapernaomy ary ny toe-javatra taorian'izany.

Io "Sabata niarahana tamin'i Jesôsy" ao amin'ny fiandohan'ny filazantsaran'i Marka io no mampahafantatra sahady ny mpamaky ny momba an'i Jesôsy. Vitsy ihany ny teny nambaran'i Jesôsy voarakitra ao amin'ireo fizaran'ny lesona mandritra ity herinandro ity: ny fiantsoana fohifohy ho mpianatra, baiko nomena ny demonia, drafitra momba ny fitsidihana toerana hafa, ary ny fanasitranana boka iray narahin'ny toromarika mba hisehoany any amin'ny mpisorona ka hampadio azy. Ny asa no tena asongadina, indrindra ny fanasitranana. Tian'ity mpanoratra ny filazantsara ity ny mampiasa ny teny hoe "niaraka tamin'izay" mba hanehoana ny fihetsika tsy mitaredretra teo amin'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy..

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal