Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TOPY MASO MOMBA NY ASAN'I JESÔSY

Daty
Sabotsy 06 July 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro: Mar. 1:16-45; Jao. 1:29-42; Mar. 5:41; Lio. 6:12; Lev. 13.

Tsianjery: 

"Ary hoy Jesôsy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo." - Mar. 1:17.

Samy mampahafantatra ny fiantombohan'ny asa fanompoana nataon'i Jesõsy S amin'ny fomba manokana ny Filazantsara tsirairay.

Atombok'i Matio amin'ny niantsoan'i Jesôsy ireo mpianatra sy ny nanaovany ny toriteny teo an-tendrombohitra ny filazantsarany.

I Lioka kosa mitantara ny tantaran'ny toriteny voalohany nataon'i Jesôsy indray Sabata tao amin'ny sinagoga iray tany Nazareta.

I Jaona indray dia mitantara ny fiantsoana ny sasany tamin'ireo mpianatra voalohany sy ny fampakaram-bady tao Kana, izay nanatanterahan'i Jesôsy ny famantarana Azy voalohany indrindra.

Ny Filazantsaran'i Marka dia mitantara ny fiantsoana ireo mpianatra efatra sy milazalaza ny amin'ny Sabata iray tany Kapernaomy ary ny toe-javatra taorian'izany.

Io "Sabata niarahana tamin'i Jesôsy" ao amin'ny fiandohan'ny filazantsaran'i Marka io no mampahafantatra sahady ny mpamaky ny momba an'i Jesôsy. Vitsy ihany ny teny nambaran'i Jesôsy voarakitra ao amin'ireo fizaran'ny lesona mandritra ity herinandro ity: ny fiantsoana fohifohy ho mpianatra, baiko nomena ny demonia, drafitra momba ny fitsidihana toerana hafa, ary ny fanasitranana boka iray narahin'ny toromarika mba hisehoany any amin'ny mpisorona ka hampadio azy. Ny asa no tena asongadina, indrindra ny fanasitranana. Tian'ity mpanoratra ny filazantsara ity ny mampiasa ny teny hoe "niaraka tamin'izay" mba hanehoana ny fihetsika tsy mitaredretra teo amin'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy..

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal