Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TOPY MASO MOMBA NY ASAN'I JESÔSY

Daty
Sabotsy 06 July 2024

Hodinihana mandritry ny herinandro: Mar. 1:16-45; Jao. 1:29-42; Mar. 5:41; Lio. 6:12; Lev. 13.

Tsianjery: 

"Ary hoy Jesôsy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona hianareo." - Mar. 1:17.

Samy mampahafantatra ny fiantombohan'ny asa fanompoana nataon'i Jesõsy S amin'ny fomba manokana ny Filazantsara tsirairay.

Atombok'i Matio amin'ny niantsoan'i Jesôsy ireo mpianatra sy ny nanaovany ny toriteny teo an-tendrombohitra ny filazantsarany.

I Lioka kosa mitantara ny tantaran'ny toriteny voalohany nataon'i Jesôsy indray Sabata tao amin'ny sinagoga iray tany Nazareta.

I Jaona indray dia mitantara ny fiantsoana ny sasany tamin'ireo mpianatra voalohany sy ny fampakaram-bady tao Kana, izay nanatanterahan'i Jesôsy ny famantarana Azy voalohany indrindra.

Ny Filazantsaran'i Marka dia mitantara ny fiantsoana ireo mpianatra efatra sy milazalaza ny amin'ny Sabata iray tany Kapernaomy ary ny toe-javatra taorian'izany.

Io "Sabata niarahana tamin'i Jesôsy" ao amin'ny fiandohan'ny filazantsaran'i Marka io no mampahafantatra sahady ny mpamaky ny momba an'i Jesôsy. Vitsy ihany ny teny nambaran'i Jesôsy voarakitra ao amin'ireo fizaran'ny lesona mandritra ity herinandro ity: ny fiantsoana fohifohy ho mpianatra, baiko nomena ny demonia, drafitra momba ny fitsidihana toerana hafa, ary ny fanasitranana boka iray narahin'ny toromarika mba hisehoany any amin'ny mpisorona ka hampadio azy. Ny asa no tena asongadina, indrindra ny fanasitranana. Tian'ity mpanoratra ny filazantsara ity ny mampiasa ny teny hoe "niaraka tamin'izay" mba hanehoana ny fihetsika tsy mitaredretra teo amin'ny asa fanompoana nataon'i Jesôsy..

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal