Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Vavaka avy amin'ny tsindrimandry

Daty
Alarobia 03 January 2024

Vakio ny 2 Sam. 23:1,2 sy ny Rôm. 8:26,27. Inona no ampianarin ireo toko sy andininy ireo antsika mikasika ny vavaka?

Vavaka avy amin'ny tsindrimandrin Andriamanitra sy fiderana ataon'ny Isiraely ny Salamo, koa ny feo avy amin’Andriamanitra sy ny feon’ny olony no miharo ao amin’izany. Maneho ny fanandraman’ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra ny Salamo.

Mivantana ny fomba firesahan’ny mpanao Salamo amin’Andriamanitra, toy ny hoe “Andriamanitro” sy “Andriamanitroo” ary “Mpanjakako” (Sal. 5:2; Sal. 84:3). Matetika ny mpanao Salamo no mitalaho amin’Andriamanitra hoe: “henoy ny teniko” (Sal. 5:1), “mihainoa ny fitarainako” (Sal. 39:12), “Jereo" (Sal. 25:18), “faingàna hamaly ahy (Sal. 102:2), ary “afaho ny fanahiko” (Sal. 6:4). Maneho mazava ny fivavahan'ny olona iray amin’Andriamanitra ireo fomba fiteny ireo.

Ny hakanto sy ny rafitra maninton’ny Salamo amin’ny maha-vavaka sy fiderana azy dia ahitana taratra ny maha-tenin’Andriamanitra izany, izay miseho amin’ny endriky ny vavaka mafana sy ny fiderana ataon’ny mpino. Araka izany, ny Salamo dia manome fotoana isian’ny fifandraisana ety ho an'ny zanak'Andriamanitra, tahaka izay voaresaka ao amin’ny Rôm. 8:26,27: “Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina. Ary Izay mandinika ny fo no mahalala ny hevitry ny Fanahy, satria araka anAndriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina.”

Namerina ireo teny ao amin'ny Salamo koa i Jesôsy, tahaka izay hita ao amin'ny Lio. 20:42,43, izay namerenany mivantana ny Sal. 110:1: “Fa Davida ihany no milaza eo amin’ny bokin’ny Salamo/Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko/Mipetraha eo an-tànako ankavanana/ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ny tongotrao.”

Na dia nateraky ny toe-javatra manokana ara-tantara sy ny fanandraman’ny mpanao Salamo mihitsy aza ny Salamo sasany, ary koa vokatry ny fanandraman’ny firenen’i Isiraely, dia miresaka toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainana ny hevitra lalina ara-panahin’ny Salamo ary mihoatra ny sakana ara-kolontsaina sy ara- pivavahana, ara-poko sy ny fefin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Raha lazaina amin’ny teny hafa, rehefa mamaky ny Salamo ianao dia hahita ny fanehoany fanantenana, fiderana, tahotra, hatezerana, alahelo sy fahoriana, fihetsehampo izay iainan’ny olona any amin’ny toerana rehetra sy amin’ny vanim-potoana rehetra ary amin’ny toe-javatra rehetra. Miantefa amintsika mivantana ireny, ary mahalaza tsara ny fanandramana iainantsika.

Nampiasa ny Salamo i Jesôsy. Inona no tokony hambaran’izany amintsika momba ny lanjan'ireny eo amin'ny fanandraman’ny finoantsika manokana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal