Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VAVOLOMBELONA ROA

Daty
Alahady 05 May 2024

Vakio ny Apôk . 11:3-6. Milaza toetra dimy ananan'ireo vavolombelona roa voalaza ao amin'ireo andininy ireo.

Ao amin'ny Zak.4, Ilay mpaminany dia nahita hazo oliva roa teo an-daniny sy an-kilan'ny fanavaon-jiro volamena — sary mitovy amin'izay hitantsika ao amin'ny Apôk. 11. Nolazaina tamin'i Zakaria fa izany dia maneho ireo "zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra" (Zak. 4:14). Manome diloilo ho an'ilay fanaovan-jiro ireo hazo oliva mba hirehetan'izany hatrany. Mampahatsiahy antsika izay nosoratan'ny mpanao salamo izany, manao hoe: "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao"- Sal. 119:105. Maneho ny Fanahy Masina ny diloilo (Zak. 4:2,6). Ny fahitana nomena an'i Jaona ao amin'ny Apôk. 11 dia manondro ny Tenin'Andriamanitra torina amin'ny herin'ny Fanahy Masina mba hanazavana izao tontolo izao.

Ireo vavolombelona roa ireo dia afaka maminany sy manakana ny orana tsy hilatsaka ela araka ny aminaniany izany. Azony atao ny manova ny rano ho ra sy mamely ny tarry amin'ny loza maro. Tamin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra no nitenenan'i Elia fa tsy hisy orana eo amin'ny lsiraely ary ho valin'ny vavaka nataony dia tsy nisy orana nandritra ny telo taona sy tapany (jereo ny Jak. 5:17). Nivavaka tamin'Andriamanitra indray izy dia avy ny orana rehefa tsy nahay nampitsahatra ny main-tany ireo mpaminany sandok'i Bala (1 Mpanj. 17; 18). I Mosesy koa, tamin'ny alalan'ny Tenin'Andriamanitra, dia nitondra loza tamin'ny endriny maro samihafa teo amin'ireo Egiptianina, anisan'izany ny fanovana ny rano ho ra, satria nanda ny hanafaka ny vahoakan'Andriamanitra i Farao (Eks. 7).

Ireo izay mitady hamotika ny Soratra Masina dia holevonininy afo mivoaka avy amin'ny vavany. Izao no lazain'Andriamanitra: "Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny' - Jer. 5:14. Manonona fitsarana ho an'ireo rehetra manda azy ny Tenin'Andriamanitra. Toy ny afo ao am-bava ny teniny.

Ambaran'i Jesôsy amin'ny Jao. 5:39 fa manambara Azy (mijoro ho vavolombelony) ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha. Lazainy koa fa hotorina "ho vavolombelona" amin'ny firenena rehetra ny Filazantsara (Mat. 24:14) ary ny Testamenta Vaovao, miaraka amin'ny Testamenta Taloha no fototr'izany fijoroana ho vavolombelona izany. Voanteny iray avy amin'ny fototeny iray nangalana ireo teny ampiasaina amin'ireo andininy roa ireo hilazana ny fijoroana ho vavolombelona no hita ao amin’ny Apôk. 11:3.

 za avy ireo vavolombelona roa ireo? Araka ny fahitana ireo singa ara-Baiboly sy ireo toetra nomena ao amin'ny Apôk. 11 dia azontsika atao ny manao tsoa-kevitra (tsy noho ny maha foto-pinoantsika izany anefa) fa ireo vavolombelona roa ireo dia ny Soratra Masin'ny Testamenta Taloha sy Vaovao izay mampita ny fahazavan'Andriamanitra sy ny fahamarinany amin'izao tontolo izao.

Kristianina maro ankehitriny no manana fironana hanamaivana ny Ianjan'ny Testamenta Taloha ary milaza izany ho tsy mitombina sy tsy ilaina satria manana ny Testamenta Vaovao isika. Inona no fahadisoana lehibe ao amin'izany toe-fsaina izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal