Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VOARO IREO KRISTIANINA NOHO NY FITANTANAN’ANDRIAMANITRA

Daty
Alatsinainy 08 April 2024

Naseho niharihary teo amin’ireo toe-javatra nialoha ny fandravana an'i Jerosalema ny famindram-pon’Andriamanitra, ny fahasoavany, ny fitantanany sy ny fahalalany mialoha ny hoavy. Nanodidina ny tanàna i Cestius Gallus sy ireo tafika rômanina. Tamin’ny fomba tsy nampoizina, raha toy ny efa akaiky dia akaiky ny fanafihany dia nihemotra izy ireo. Nanenjika azy ny tafika jiosy ka nandrombaka fandresena lehibe.

Nandositra ireo Rômanina ary nanenjika azy ireo ny Jiosy, nandositra tany Pela any Perea any ambadiky ny ony Jordana ireo Kristianina. “Nomena ny famantarana nampanantenaina ireo kristiana efa niandry, ary tamin’izay dia nisy fotoana nety nandosirana natolotra izay rehetra ta-hanao izany ka hankato ny hafatra nomen’ny Mpamonjy. Tsara indrindra ny nandaharana ny toe-javatra ka na ny Jiosy na ny Romana dia tsy nanakana ny fandosiran’ny kristiana." – HM, t. 30.

Vakio ny Sal. 46:1 sy ny Isa. 41:10. Inona no ambaran'ireo andininy ireo amintsika momba ny fiahian'Andriamanitra sy ny fitantanany?

Andriamanitra dia manjaka ary manapaka ireo toe-javatra eto an-tany ho amin’ny fanatanterahana faratampony ny fikasany. Na dia manova ny drafiny any am-boalohany araka ny safidintsika olombelona aza Izy indraindray, dia ho tanteraka ny drafiny faratampony ho an’ity planeta ity. Hisy fotoana handalovan’ny vahoakan’Andriamanitra fahoriana, fanenjehana, fampidirana an-tranomaizina sy famonoana noho ny amin’i Kristy, saingy na amin’ny fotoan-tsarotra indrindra aza, rehefa mafy indrindra ny famelezan’i Satana dia hanohana sy hiaro ny fiangonany Andriamanitra.

Vakio ny Heb. 11:35-38 sy ny Apôk. 2:10. Inona ny zava-misy ambaran’ireo andininy ireo momba ny ady ataontsika amin’ny tafiky ny ratsy? Ahoana no ifandraisan'ireo andininy ireo amin’ny hevitra momba ny fiarovan’Andriamanitra ao amin'ilay fanontaniana teo aloha? 

Misy fifanoherana ve eo amin’ny fiarovan’Andriamanitra sy ny famelany ny olona sasany hiatrika fahoriana maharary sy ho faty maritiora mihitsy aza noho ny amin’i Kristy?

“Tsy nisy vokany ny fiezahan ’i Satana handrava ny fiangonan’i Kristy tamin’ny heriny. Tsy nitsahatra ny ady lehibe izay namoizan’ny mpianatr’i Jesosy ny ainy rehefa lavo teo am-panatontosana ny adidiny ireo mpitondra faneva mahatoky. Nandresy teo amin’ny fahareseny izy. Maty ireo mpiasan’Andriamanitra, fa ny asany kosa nandroso hatrany." – HM, t. 41

Midika inona amintsika ny nanoratan'ireo mpanoratra ny Baiboly hatrany hatrany momba ny fitiavan'Andriamanitra na dia azo antoka aza fa nandalo fahoriana sy fanaintainana izy ireo? Ahoana no ahazoantsika manandrana io fitiavana io ho an’ny tenantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal