Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eto amin'izao tontolo izao fa tsy azy

Daty
Sabotsy 21 September 2024

 "Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin 'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan 'izao tontolo izao, dia fahavalon 'Andriamanitra izy." - Jak. 4:4. 

Mofon’aina:
Efa antomotra ny andro lehiben'i I Jehôvah. Rehefa miseho eny amin ' ny rahon 'ny lanitra i Kristy, dia ho very tokoa ireo izay tsy nikatsaka Azy tamin'ny fony manontolo, ireo izay nanaiky hofitahina. Ny fibebahana sy ny fiovam-po, ary ny famafana ny fahotantsika no hany antoka ho antsi ka. Ireo izay nikatsaka ny Tompo amin'ny fo ankehitriny sy mampietry ny tenany eo anatrehany ka mahafoy ny fahotany no ho mendrika hikambana amin'ireo ankohonan'ny mpanjaka amin'ny alalan'ny fanamasinan'ny fahamarinana, ary ireo no hahita ny Mpanjaka ao amin'ny fahatsaran-tarehiny. (...)

Na inona na inona fahalalana anan in'ny olona, izay mahatsapa ny fianteherany amin'Andriamanitra ihany, sy tarihin'ny Fanahy Masina, no ho tonga mpampianatra mahomby na koa hahita fahombiazana eo amin'ny fitarihana ireo iasan'ny hery miasa mangina avy aminy hankeo amin'Andriamanitra. Moa ve ireo izay tsy manaraka ny torohevitr' Andriamanitra azo ekena ho mpitarika ao amin'ny sahany? (...) Ahoana moa no iheverantsika ho mpitarika azo antoka ireo izay maneho toe-tsain'ny tsy finoana, sy izay tsy maneho ny tena fiainana araka an'Andriamanitra amin'ny teniny sy ny toetrany? 

"Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo." - Mat. 18:3. 

Tokony hampileferina eo ambany ziogan'i Kristy ny "izaho". Manasa ny rehetra ilay Mpampianatra lehibe mba hianatra Aminy. (...) "Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very." - Mat. 18:11. Ireo izay maniry ny ho voavonjy anefa dia tsy maintsy maniry ny hovonjena araka ny fomba notendren'ny Tompo hanaovana izany, fa tsy araka izay safidin'ny tenany. (...) 

Antsoina mba ho vahoakan' Andriamanitra manokana isika amin' ny heviny ambony kokoa noho izay ahatsapan'ny maro izany. (...) Tokony ho afaka amin'ny fanaon'izao tontolo izao sy ny fahazarany izy ireo. Tsy tokony handeha araka ny fihetsehampon'izao tontolo izao izy ireo (...), fa tokony hafana fo amin'ny fanompoana ataony rehetra (...). -TDG, t. 248. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal