Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Eto amin'izao tontolo izao fa tsy azy

Daty
Sabotsy 21 September 2024

 "Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin 'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan 'izao tontolo izao, dia fahavalon 'Andriamanitra izy." - Jak. 4:4. 

Mofon’aina:
Efa antomotra ny andro lehiben'i I Jehôvah. Rehefa miseho eny amin ' ny rahon 'ny lanitra i Kristy, dia ho very tokoa ireo izay tsy nikatsaka Azy tamin'ny fony manontolo, ireo izay nanaiky hofitahina. Ny fibebahana sy ny fiovam-po, ary ny famafana ny fahotantsika no hany antoka ho antsi ka. Ireo izay nikatsaka ny Tompo amin'ny fo ankehitriny sy mampietry ny tenany eo anatrehany ka mahafoy ny fahotany no ho mendrika hikambana amin'ireo ankohonan'ny mpanjaka amin'ny alalan'ny fanamasinan'ny fahamarinana, ary ireo no hahita ny Mpanjaka ao amin'ny fahatsaran-tarehiny. (...)

Na inona na inona fahalalana anan in'ny olona, izay mahatsapa ny fianteherany amin'Andriamanitra ihany, sy tarihin'ny Fanahy Masina, no ho tonga mpampianatra mahomby na koa hahita fahombiazana eo amin'ny fitarihana ireo iasan'ny hery miasa mangina avy aminy hankeo amin'Andriamanitra. Moa ve ireo izay tsy manaraka ny torohevitr' Andriamanitra azo ekena ho mpitarika ao amin'ny sahany? (...) Ahoana moa no iheverantsika ho mpitarika azo antoka ireo izay maneho toe-tsain'ny tsy finoana, sy izay tsy maneho ny tena fiainana araka an'Andriamanitra amin'ny teniny sy ny toetrany? 

"Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy hianareo." - Mat. 18:3. 

Tokony hampileferina eo ambany ziogan'i Kristy ny "izaho". Manasa ny rehetra ilay Mpampianatra lehibe mba hianatra Aminy. (...) "Fa tonga ny Zanak'olona hamonjy ny very." - Mat. 18:11. Ireo izay maniry ny ho voavonjy anefa dia tsy maintsy maniry ny hovonjena araka ny fomba notendren'ny Tompo hanaovana izany, fa tsy araka izay safidin'ny tenany. (...) 

Antsoina mba ho vahoakan' Andriamanitra manokana isika amin' ny heviny ambony kokoa noho izay ahatsapan'ny maro izany. (...) Tokony ho afaka amin'ny fanaon'izao tontolo izao sy ny fahazarany izy ireo. Tsy tokony handeha araka ny fihetsehampon'izao tontolo izao izy ireo (...), fa tokony hafana fo amin'ny fanompoana ataony rehetra (...). -TDG, t. 248. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal