Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Tenin'Andriamanitra, hanim-py

Daty
Alatsinainy 23 September 2024

"Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; ( ...) ary ny mofo izay omeko dia ny nofoko ho fiainan'izao tontolo izao." - Jao. 6:51. 

Mofon’aina:
Ny fijoroana eo amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fianarana ny Soratra Masina (...) no hany fiarovana ho antsika. Lazao ny olona tsy hihaino ny tenin'ny hafa mahakasika ireo Vavolombelona fa hamaky sy hianatra izany, ka hahalala fa mifandrindra amin'ny fahamarinana ireo. Ny Tenin'Andriamanitra no fahamarinana. Izao no ambaran'ny mpanao Salamo momba ny lehilahy tsara iray: "Fa ny lalàn 'i Jehôvah no sitrany; Eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman 'alina." - Sal. 1:2. Hanana fanandramana mivaingana sy sarobidy izay manao izany amin'ny sainy sy ny fony. Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny Fanahy Masina. Izany no singa velona sy tsy mety maty izay aseho mazava ao amin'ny Jao. 6. (...)

Andeha isika hino ny Teny. Izay mihinana ny mofo avy any an-danitra dia mahazo hanina isan'andro ary hahalala ny tian'izao teny izao hambara: "tsy mita hampianarin 'olona hianareo." - 1 Jao. 2:27. (...) Fototra mafy izay azontsika anorenana ny Tenin'Andriamanitrany sarobidy. Rehefa manatona anao amin'ny tomban-keviny ny olona, dia lazao azy fa navelan'ilay Mpampianatra. Lehibe ho anao ny Teniny, izay manana tombambidy tsy hita pesimpesenina; lazao azy fa efa nirahiny ny Mpampahery amin'ny Anarany, dia ny Fanahy Masina. "Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." -Jao. 14:26. (. ..)

Velarina eo anoloantsika ny hanim-py, izay azon'izay rehetra mino an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenanynany manokana hihinanana. Izy ny hazon'aina ho an'ny rehetra izay manohy mihinana eo Aminy. (...)

Hahazo fampiononana lehibe izay rehetra mandinika ireo teny sarobidy ireo. Fanandramana sarobidy indrindra no ho azony raha hihinana amin'ny hanim-pin'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo. Ho hitany fa toy ny mololo eo anatrehan'ny vary ny tenin' olombelona raha oharina amin'ny tenin' Andriamanitra. 

Nanome torolalana ahy ny Tenin'Andriamanitra fa ho ahy sy ho an'ny zanak'Andriamanitra rehetra ny Teny fikasany. Avelatra eo anoloantsika ny hanim-py; asaina isika hihinana ny Tenin'Andriamanitra, izay hanatanjaka ny nofotra sy ny hozabe ara-panahy. - TDG, t. 292. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal