Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ady farany

Daty
Talata 24 September 2024

 "Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany." Apôk. 16:15.

Mofon’aina:
Ady mahatsiravina no manoloana antsika. Efa manantomotra ny adin'ny andro lehiben' i Jehôvah Tsitoha isika. Efa havotsotra izao izay nofehezina hatrizay. Efa mamelatra ny elany ny anjelin'ny famindram-po, miomana ny hidina avy eo amin'ny seza fiandrianana volamena ka hamela an'izao tontolo izao hofehezin' i Satana, ilay mpanjaka izay nofidin' izy ireo, ilay mpamono olona sy mpanimba hatrany am-piandohana.

 Fikomiana feno fangidiana no ataon'ireo fanapahana sy hery eto an-tany eo anatrehan'ilay Andriamanitry ny lanitra. Feno fankahalana an' ireo rehetra manompo Azy izy ireo, ary tsy ho ela intsony no hiadiana ilay ady lehibe farany eo amin'ny tsara sy ny ratsy. Ny tany no ho tanim-piadiana - ho sehatra isehoan'ny ady farany sy ny fandresena farany. Eto (...) no hanafoanana mandrakizay ny fikomiana. 

Tonga teto amin' ity tany ity nitafy ny maha-olona i Kristy mba hahafahany mijoro ho Kapitenin'ny famonjena antsika, mba tsy handresen'ny herin'i Satana antsika. Ary rehefa toy ny nandresy ny fahamarinana ny fahavalo, dia niasa tamin'ny famindram-po sy tamin-kery Andriamanitra mba hanoherana ireo fikasan'i Satana. 

Tapa-kevitra ny hamafa ny endrik'Andriamanitra tsy ho eo amin'ny olona intsony i Satana ka mikely aina fatratra mba hanakonana an'Andriamanitra tsy ho hitantsika. Tsy ataony miharihary izany fa an-tsokosoko, ka afangarony izay avy amin'Andriamanitra sy avy amin'olombelona, ny sandoka sy ny tena izy, mba hitondra fahaverezan-kevitra sy fahakiviana. Amin-kery tahaka izany koa anefa no anehoana ny famindram-pon'ny lanitra mba hanoherana ny asa feno faharatsiam-panahy sy hampiharihariana ireo fikasana miafin'ilay fahavalo.

Tokony handre fanambarana feno fahasahiana sy tsy misy tahotra ny vahoakan'Andriamanitra, fanambarana izay maneho ireo fikasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fijoroan'ny penina sy ny feo ho vavolombelona (...). 

Zava-misy fiainana tokoa ny fampianarana tena izy. Tsy tahaka ny zavona izay mihelina izany. Aoka hamirapiratra avy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny fahazavana. Miantso ny vahoakany Andriamanitra mba hanatona Azy. Aoka tsy hisy na iza na iza hanakana ny firaisany amin'ny °km,. Mandondôna ao am-baravaran'ny fo i Kristy (...). Havelanao hiditra ve Izy? - TDG, t. 308. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal