Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ADIHEVITRA TANY JEROSALEMA

Daty
Sabotsy 24 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 11; 1 Mpanj, 1:32-48; Zak.9:9,10; !sa. 56:7; Jer. 7:11; Mar. 12:1-34.

Tsianjery: "Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo izay any an-danitra kosa ny helokareo." - Mar. 11:25. 

Lohahevitra dimy izay niteraka adihevitra teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana no voarakitra ao amin'ny Mar. 2 sy 3 (jereo ny Lesona 3). Ao amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity dia lohahevitra enina no nampifanditra an'i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana rehefa tonga tany Jerosalema lzy. Tamin'ny fiandohan'ny asan'i Jesôsy teto an-tany no nisehoan'ny fifandirana voalohany, ary ny faharoa kosa dia tamin'ny fiafaran'izany asa fanompoany izany. Samy mahakasika ny toe-javatra manan-danja eo amin'ny fiainana kristianina ireo roa ireo. Na dia ao anatin'ireny toe-javatra miteraka adihevitra ireny aza, ny torolalana omen'i Jesôsy dia manampy amin'ny fitarihana ny mpino handinika ireo teboka manan-danjaniny finoana ary koa ireo lafiny azo ampiharina eo amin'ny fiainana andavanandro.

Tonga mba hifanandrina amin'i Jesôsy sy hiady hevitra Aminy ary handresy Azy ireo mpitondra fivavahana kanefa tsy nahomby na oviana na oviana. Ny ampahany amin'ny lesona mandritra ity herinandro ity dia handalina ny antony mahatonga ny olona hanohitra an'Andriamanitra. Hodinihin'ny lesona ihany koa izay azon'ny Kristianina atao mba handrodanana ny hevitra mibahana mialoha sy hanatrarana ny fon'ireo izay manohitra ny antson'ny Fanahy.

Any Jerosalema i Jesôsy no hanao ny asa fanompoany ho amin'ny Paska (Marsa-Avrily), ao amin'ny Mar. 11. Toe-javatra niseho nandritra ny herinandro mahery no tantaraina ao amin'ny Mar. 11-16; hita fa nibahana tee amin'izany ny fitantarana ny tantara. Ireo telo taona sy tapany niasan'i Jesôsy kosa no tantarain'ireo toko folo voalohany. Manondro ny lanjan'ireo toe-javatra mamarana ny asan'i Jesôsy izany fibahanan'ny fotoana eo amin'ny toe-javatra tany Jerosalema izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal