Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TSY HISY VATO HIFANONGOA

Daty
Alatsinainy 02 September 2024

Vakio ny Mar. 13:1-13. Ahoana no navalin'ireo mpianatra ny fanambaran'i Jesôsy momba ny tempoly, ary inona no hevitry ny valinteny nomen'i Jesôsy azy ireo?

Efa nomarihintsika fa mahatalanjona tokoa ny rafitry ny tempoly. Nambaran'i Flavius Josèphe fa ny lalan-tsara lehibe (ny "Fialofan'i Sôlômôna") tany amin'ny ilany atsimon'ilay trano dia nahitana andry niisa 162 ka tsy nahafehy ny iray tamin'izany raha tsy lehilahy telo mifampitantana manodidina azy (Antiquities, 15.11.5 §§413-414). Nilaza anefa i Jesôsy fa "horavana" avokoa izany rehetra izany. Toy ny fiafaran'izao tontolo izao no fandrenesan'ireo mpihaino io faminaniana mikasika ilay rafi-trano mahatalanjona io.

"Raha voasarika tamin'ny hakanton'ny tempoly ny sain7 Kristy, dia inona kosa ary no tsy maintsy ho eritreritra tsy niloaka nataon'llay Nolavina. Marina fa kanto ny zavatra nanoloana ny masony, nefa hoy Izy tamin'alahelo, hitako daholo izany. Tsara tarehy tokoa ny trano. Manondro ireo rindrina ireo ianareo toy ny milaza fa tsy mety ho raya ny fijery azy; nefa henoy ny teniko. Ho avy ny andro izay 'tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana."' - IFM, tt. 673, 674.

Naniry ny hahalala ny fotoana hitrangan'ny faminanian'i Jesôsy ireo mpianatra. Araka izany, dia nanontany ny amin'ny fotoan'andron'izany ny vondrona mpianatra vitsivitsy, ao amin'ny Mar. 13:4 (i Petera sy i Jakôba ary i Jaona sy i Andrea). Tsy ny fotoana hitrangan'izany ihany no nirin'izy ireo ho fantatra fa ny famantarana hiseho mialoha izany koa.

Mahagaga ny nandanian'i Jesôsy ny ankamaroan'ny fotoana ao amin'ny Mar. 13:5-13 tamin'ny filazalazana ny amin'ny faharavan'i Jerosalema fa tsy amin'ny fampitandremana ireo mpianany momba ny zavatra tokony handrasan'izy ireo eo amin'ny asa fanompoany rehefa hanorina ny fiangonana kristianina voalohany izy. Tsy ho mora anefa ny hahazo azy ireo.

Henjehina izy, hatolotra ho amin'ny fitsarana ary hovonoina ny sasany amin'izy ireo. Nambaran'i Jesôsy anefa fa tsy mbola tonga ny fotoana, ary tsy tokony ho voafitaky ny toe-javatra mifamahofaho ireo mpianatra. Ankoatra izany, ny Fanahy Masina no hanome ny teny ao am-bavan'izy ireo amin'ny fotoana mety, rehefa handao azy avokoa ny namana sy ny havana.

Izao no tian'ny fampidirana ireo faminanian'i Jesôsy ireo hambara: tsy tokony hatahotra ny savorovoro sy ny fitsapana ny vahoakan'Andriamanitra. Tokony hiambina izy ireo, satria ny Fanahin'Andriamanitra no homba sy hitarika azy ao anatin'izany fotoan-tsarotra izany.

Inona ny fanandramanao manokana mikasika ireo fitsapana miseho vokatry ny fanarahana an'i Jesôsy? Raha tsy mbola nandalo izany ianao, dia mety ilainao ve ny hanontany raha toa ianao manara-dia Azy marina? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal