Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fampidirana

Daty
Sabotsy 06 January 2024

Eo anivon’ny Kristianina sasany dia toa manjaka ny finoana fa ny vavaka tora-po sy tsy nianarana ihany no tena atao hoe vavaka. Nomena valiny mahafa-po indrindra anefa ny mpianatr’i Jesôsy rehefa nangataka Taminy mba hampianariny mivavaka. Nametraka bokim-bavaka ao afovoan’ny Baiboly Andriamanitra, dia ny Salamo, tsy ny hampisehoana amintsika fotsiny ny fomba fivavak’ireo vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andro fahiny, fa mba hampianarana antsika koa ny fomba fivavaka mety ankehitriny.

Hatrany am-piandohan’ny tantara no efa namolavola ny fivavaky ny vahoakan’Andriamanitra ny Salamo, anisan’izany ny vavak’i Jesôsy (1 Tant. 16:7,9; Neh. 12:8; Mat. 27:46; Efes.5:19). Hodinihintsika amin’ity herinandro ity ny anjara notanan’ny Salamo teo amin’ny fanampiana ny vahoakan’Andriamanitra namakivaky ny lalam-piainany sy mba hitombo amin’ny fifandraisany amin'Andriamanitra. Tokony hotsaroantsika fa ny Salamo dia vavaka, ary araka izany dia tsy hay tombanana ny lanjany, tsy noho ny fanazavana ara-teôlôjia entiny fotsiny fa noho ny fanatsarana sy fanovana entiny koa eo amin’ny vavaka ataontsika isam-batan’olona sy miaraka amin’ny besinimaro.

Nanampy mpino maro hanana fiainam-bavaka mafy orina sy mitohy ary feno fahafaham-po ny fanaovan’izy ireo ny Salamo ho tonom-bavaka.

Hitohy ny fandinihantsika ny Salamo mandritra ity herinandro ity, indrindra ao anatin’ny tontolon-kevitry ny fotoana izay maha-tojo zava-manahirana antsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal