Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny salamo teo amin'ny fanompoam-pivavahana ny Isiraely fahiny

Daty
Alahady 31 December 2023

Vakio ny 1 Tant. 16:7; Neh. 12:8; Sal. 18:1; Sal. 30:1; Sal. 92:1; Sal. 95:2; Sal. 105:2; Kôl. 3:16 ary ny Jak. 5:13. Inona avy ireo toe-javatra izay nahatonga ny fanoratana ny Salamo? Oviana no nampiasan’ny vahoakan’ Andriamanitra ny Salamo?

Nosoratana mba hampiasaina amin’ny fivavahana manokana na amin’ny fiaraha-mivavaka ny Salamo. Nohiraina nandritra ny fanompoam-pivavahana tany amin’ny tempoly izany, araka ny lahatsoratra momba ny hira izay miresaka mikasika ny zava-maneno (Sal. 61:1), sy ny feon-kira (Sal. 9:1) ary ny mpiventy hira (Sal. 8:1).

Ao amin’ny Baiboly hebreo, ny anarana iantsoana ny bokin’ny Salamo, tehilim, “fiderana”, dia maneho ny tanjony: ny fiderana an’Andriamanitra.

Ampahany nanan-danja tao amin’ny fanompoam-pivavahan’ny Isiraely fahiny ny Salamo. Nampiasaina tamin’ny fitokanana ny tempoly ohatra izany, nampiasaina koa nandritra ireo andro firavoravoana ara-pivavahana, nandritra ny diabe, ary tamin’ny fotoana nametrahana ny fiaran’ny fanekena tany Jerosalema.

Ny “fihirana fiakarana" (Sal. 120-134), izay fantatra ihany koa amin’ny hoe hiran’ny fivahiniana, dia nohiraina nandritra ny dia nankanesana tany Jerosalema tamin’ireo andro firavoravoana telo lehibe (Eks. 23:14-17). Nohiraina nandritra ireo andro firavoravoana telo lehibe fanao isan-taona ny “Hallel egiptianina” (Sal. 113-118) sy ny “Hallel” lehibe (Sal. 136); anisan’ireo andro firavoravoana ireo ny voaloham-bolana sy ny fanokanana ny tempoly. Nanana anjara toerana lehibe tao anatin’ny fanompoam-pivavahan’ny Paska ny "Hallel egiptianina”. Nohiraina tamin’ny fanombohan’ny fisakafoana tamin’ny Paska ny Sal. 113 sy 114, ary ny Sal. 115-118 no nohiraina tamin’ny fiafaran’izany (Mat. 26:30). Ny “Hallel fanao isan’andro” kosa (Sal. 145-150) dia nampidirina tao amin’ny vavaka isan’andro nandritra ny fanompoam-pivavahana maraina tao amin’ny synagoga.

Tsy nanaraka ny olona tamin’ny fanompoam-pivavahana nataony fotsiny ny Salamo fa nanoro lalana azy koa ny amin’izay fomba tokony hiankohofany amin’Andriamanitra tao amin’ny fitoerana masina. Ny teny ao amin’ny Sal. 22 no nentin’i Jesôsy nivavaka (Mat. 27:46). Nanana toerana manan-danja teo amin’ny fiainan’ny fiangonana voalohany koa ny Salamo (Kôl. 3:16; Efes. 5:19).

Marina tokca fa tsy mivavaka amin’Andriamanitra ao amin’ny fitoerana masina tety an-tany tahaka ny tempoly isika; na izany aza, ahoana no ampiasantsika ny Salamo eo amin'ny fiankohofantsika, na ataontsika any amin’ny mangingina izany na iarahantsika amin'ny hafa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal