Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andriamanitra no mitana ny familiana

Daty
Talata 15 October 2024

« Farany, mahereza ao ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. » Efes. 6:10

Mofon’aina:
Azo antoka fa hisy tranga tsy ampoizina ho avy, izay _ hanova ny toe-java-misy eto amin'izao tontolo izao ankehitriny. Miady ho lohany ny filana sy ny fieremana. Ampiasaina handringanana ny famoretana sy ny fankahalana. Hanao izay faraheriny hanatanterahana ny sitrapony ireo mpiasan'i Satana, entanin'ny hery avy any ambany. "(...) Ny ratsy fanahy (...) mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra." — Dan. 12:10. Hitafy ny fiadian'Andriamanitra rehetra ireo izay niova fo, ary hifanandrina amin-kerim-po amin'ilay fahavalo tsy hita maso. Ho tsapan'ny mpanompon'Andriamanitra fa ilainy tokoa ny ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra. (...)

Tandindomin-doza isika ankehitriny. Ny hany fiarovana ho antsika dia ny manaraka ny dian'i Kristy sy ny mitondra ny ziogany. Eo anoloantsika ny andro mahory. (...) Haolan'izao tontolo izao ny foto-kevitra ijoroan'ny vahoakan'Andriamanitra; tsy izao tontolo izao ihany no hanao izany fa ireo rahalahiny koa aza. (...) Hatao avokoa ny fomba rehetra hanamarinana ny toetra feno fitiavan-tena sy tsy marina. (...)

Hambanina sy hatao tsinontsinona ny asa ataon'ny olona amim-pahatokiana satria toa tsy misy fahombiazana miharihary manaraka ny ezaka nataony. Haseho amin'ny fomba diso izy ireo ka hankalazaina ho mpamitaka, satria hisy toe-javatra tsy ho voafehiny hahatonga ny asany ho sarotra. Hotondroin'ny olona molotra toy ny tsy azo itokiana izy ireo, ary ny mambran'ny fiangonana mihitsy no hanao izany. Aoka ho ao amin'ny mpanompon'Andriamanitra ny saina izay tao amin'i Kristy koa. Aoka izy ireo tsy hanampo ho afaka amin'ny faniratsirana sy ny fitsaratsarana. (...) Kanefa aoka tsy ho kivy izy ireo. Andriamanitra no mitana ny familiana, mitantana sy mitarika ny asany ho voninahitry ny Anarany.

Miantso ny vahoakany Andriamanitra ho fanazavana izao tontolo izao, hamiratra eo anivon'ny haizin'ny fahotana. Misy valiny lehibe ny miaina ny fiainan'Ilay Mpanome fiainana. Nandehandeha nanao soa Izy. Izany koa no hataon'izay tena mpianatr'i Jesôsy marina (...). Natao hitombo amin'ny fahasoavana amin'ny alalan'ny fahalalana ny fahamarinana araka izay hita ao amin'i Jesôsy ny Kristianina, sady mandroso tsikelikely ho amin'ny fahatanterahan-toetra. — UL, t. 177.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal