Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsy hay refesina ny fitiavan’i Kristy

Daty
Alakamisy 17 October 2024

"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39. 

Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan' Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.

Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.

 Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).

Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191. 

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal