Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Salamo maneho hakiviana

Daty
Talata 09 January 2024

Mahatonga ny mpivavaka hanana fahalalahana ao anatin'ny vavaka tononiny ny fanaovana ny Salamo ho tonom-bavaka, kanefa mihoatra noho zany. Manitsy ny fanandraman'izy ireo hifanaraka amin'ny fenitr Andriamanitra ny Salamo, ary amin'ny alalan'ny fitondran'izany fanantenana sy toky ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra, dia manjary mora zakaina izany fanandramana izany.

Vakio ny Sal. 22. Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin'io salamo io momba ny fitokiana amin Andriamanitra na ao anatin'ny fahoriana lehibe aza?

Mety hanampy ny olona mijaly haneho ny alahelony sy ny fahatsapany ho manirery ny teny fitarainana ao amin'ny Sal. 22:1: "Andriamanitro 6, Andriamanitro 6, nahoana no nahafoy ahy ianao? Nahoana no lavitra ahy ianao, ka tsy mamonjy ahy sady tsy mihaino ny fitarainako?" (DIEM).

Marina tokoa fa nanjary nahazatra antsika Kristianina ireo teny ireo satria teny nataon'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana, izay maneho amintsika fa nanan-danja lehibe teo amin'ny fanandraman'i Kristy ny Salamo (jereo ny Mat. 27:46).

Kanefa eo anivon'izany fahoriana sy fitsapana izany dia misy ireto teny ircto koa: "Hitory ny anaranao amin'ny rahaiahiko aho, eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao."- Sal. 22:22.

Izany hoe, na mifanipaka tanteraka amin'ny olana lehibe atrehin'ilay mpanoratra aza ireo teny ireo, dia mbola asehon'ilay mpanao Salamo ihany ny finoany an'Andriamanitra fa na inona na inona mitranga dia mbola hidera an'Andriamanitra ihany izy.

Izany hoe, ny tonom-bavaka omen'ny Salamo antsika dia mampianatra artsika hijery ankoatra ny too-javatra iainantsika ankehitriny, sy hahita amin'ny alalan'ny finoana ny fotoana izay hamerenana amin'ny laoniny ny fiainantsika noho ny fahasoavan'Andriamanitra.

Dia toy izany no itondran'ny Salamo ny mpivavaka ho amin'ny fomba fijery vaovao. Mamela ny mpivavaka haneho ny fihetseham-pony sy ny fiheverany ny mpanao Salamo, kanefa tsy mamela azy ireo hitoetra eo amin'ny tcerana misy azy. Voatarika hiala amin'ny vesa-pahoriany, ny fahadisoam-panantenany, ny hatezerany, ary ny hakiviany ny mpivavaka, ho amin'ny fitokiana amin'Andriamanitra na inona na inona toe-javatra lainany.

Miainga amin'ny fitarainana mankamin'ny fiderana ny ankamaroan'ny Salamo, izay manambara ny fiovana ara-panahy andalovan'ny mpívavaka rehefa mandray ny fahasoavan'Andriamanitra sy faherezana izy ao anatin'ny vavaka.

Ahoana no hianarantsika mijery any ankoatra ny zava-tsarotra manjo antsika ankehitriny, ka hahaizantsika mitoky amin'Andriamanitra na inona na inona atrehintsika ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal