Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Ny fanambaran’ny vahoaka

Daty
Alakamisy 07 November 2024

"Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesôsy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro, izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina."- Jao. 7:37,38.

Imbetsaka ao amin'ny filazantsaran'i Jaona no ahitana an'i Jesôsy manao fanambarana mivantana momba ny Tenany, mikasika ny hoe: Iza moa Izy? Ary hanao inona no nahatongavany.

Ohatra iray hafa amin'ny fanambarana ataon'i Jesôsy momba ny Tenany io voalaza ao amin'ny Jao. 7:37,38 etsy ambony io, mikasika ny maha-Izy Azy sy ny hataony ho an'izay rehetra manatona Azy. Fanambarana manaitra koa ireo.

Rehefa nandray fitenenana teo amin'ireo Jiosy nanatrika ny andro firavoravoan'ny Tabernakely i Jesôsy , nanao ahoana ny fihetsiky ny ankamaroan'ny vahoaka? Jao. 7:37-53.

Ny sasany nilaza fa Izy no Ilay mpaminany tahaka an'i Mosesy izay efa voalaza ela tany aloha (jereo ny Deo. 18:15-19). Ny hafa nieritreritra fa i Jesôsy no Kristy, saingy niteraka adihevitra ny hoe: ny Mesia dia tsy ho avy any Galilia fa tsy maintsy ho taranak'i Davida, sy teraka tao Betlehema. Nahafeno izany fepetra rehetra izany tokoa anefa i Jesôy (ampitahao amin'ny Mat. 1-2), na dia maro aza no toa tsy nahalala izany!

Na ireo mpiandry raharaha natao hisambotra Azy aza dia sanganehana ny Aminy sy ny teny nambarany. Dia fanontaniana hafa no namalian'ny Fariseo azy ireo: "Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?" - Jao. 7:48. lo fanontaniana io no nohararaotin'i Jaona hiresahana indray momba an'i Nikôdemosy, izay rehefa avy niresaka tamin'i Jesôsy dia niezaka ny hiaro Azy tamin'ny teti-dratsin'ireo. "Moa manameloka olona va ny lalantsika, raha tsy mbola nihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?" - Jao. 7:51, hoy i Nikôdemosy.

Efa nanaiky an'i Jesôsy ho Mesia tokoa ve i Nikôdemosy ? Na dia tsy ahitana ny porofon'ny fanekeny aza ity toe-javatra ity, ny Baiboly dia manome porofo mazava fa teo anelanelan'ity fihetsika nasehony ity sy ny nataony taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy (jereo ny Jao. 19:39,40), dia nanjary nino an'i Jesôsy izy. Koa "eny" ny valin'io fanontaniana io; nisy Fariseo anankiray mba nino an'i Jesôsy ihany raha ny marina. Vakio ny Jao. 7:49.

Inona no nolazain'ireo mpitondra fivavahana, izay naneho ny fanaovany tsinontsinona ireo vahoaka nanaraka an'i Jesôsy? Inona ny lesona azontsika raisina avy amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal