Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA: Fampidirana

Daty
Sabotsy 30 November 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 13:1-20; Jao. 14:1-3; Dan. 7:27; Jao. 14:5-11; Jao. 1:14; Kôl. 1:16, 17; Jao. 5:38-40.

Tsianjery: "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Jao. 1:18.

Mizara efatra lehibe ny filazantsaran'i Jaona: ny fitarihan-teny (Jao. 1:1- 18), ny bokin'ny famantarana (Jao. 1:19-12:50), ny bokin'ny voninahitra (Jao. 13:1-20:31), ary ny fehin-tantara (Jao. 21:1-25). Ny fitarihan-teny sy ny bokin'ny famantarana no nodinihintsika hatreto, izay mampiseho hoe iza i Jesôsy , raha ny fahagagana (famantarana) sy ny resaka ary ny fampianarana nataony no jerena. Ny fizarana fahatelo kosa no hifantohantsika izao, dia ny bokin'ny voninahitra. Mahaliana fa toy ny tetezana mampitohy ny bokin'ny famantarana sy ny bokin'ny voninahitra ireo fanambarana fito nataon'i Jesôsy hoe: "Izaho no (...)". Ireto avy izy ireo: Izaho no "mofon'aina" (Jao. 6:35,41,48,51), "fahazavan'izao tontolo izao" (Jao, 8:12, Jao. 9:5), "vavahady" (Jao. 10:7,9), "mpiandry tsara" (Jao. 10:11,14), "fananganana ny maty sy fiainana" (Jao. 11:25), "làlana sy fahamarinana ary fiainana" (Jao. 14:6), ary "tena voaloboka" (Jao. 15:1,5).

Hojerentsika voalohany ao amin'ity lesona ity ny tanjon'ilay hafatra farany nataon'i Jesôsy sy ny amin'ilay fotoa-manan-danja nanasany ny tongotry ny mpianany. Avy eo dia hodinihintsika ilay fanambarana ao amin'ny Jao. 14 hoe: "Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana."

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal