Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manamaivana ny fahoriana

Daty
Zoma 13 December 2024

 "Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana." — Mat. 10:7,8.

Mofon’aina:
Manoloana antsika ny fotoan'ny loza amin'atambo. (...) Karazana aretina maro no hihatra amin'ny taranak'olombelona, ary ny tsy fahalalana toy izao hita izao mikasika ny la1an'ny fahasalamana dia hahatonga fahoriana lehibe sy famoizana ain'olona maro izay tokony ho voavonjy (...)

Koa satria manohintohina ny fahafahan'ny firenentsika ny faneriterena ara-pivavahana, ireo izay hijoro ho amin'ny fahafahan'ny feon'ny fieritreretana, dia hapetraka amin'ny toerana tsy hahafahany manoatra loatra. Mahasoa azy ireo ny hanana faharanitan-tsaina, raha mbola misy koa ny tombon-tsoa azo hararaotina, hiatrehana ny aretina sy ny fototra niaviany, ny fomba fisorohana azy ary ny fitsaboana tokony hatao. (...) Marobe amin'ireo marary no hila fanampiana, tsy ireo mpiray finoana amintsika ihany fa indrindra indrindra ireo tsy mahalala ny fahamarinana.

Hitondra vokatra mahagaga ny asa fitsaboana ampiarahina amin'ny hafatry ny anjely fahatelo. Aoka izany ho asa manamasina, mampiray, mifanaraka tsara amin'ny asa izay nanirahan'Ilay Lohan'ny fiangonana ireo mpianatra voalohany.

Nanome iraka ho azy ireo i Kristy rehefa niantso azy ireo miaraka: "Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza mairnaimpoana". "Indro Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan'ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala." — Mat. 10:7,8,16.

(...) Nandeha namita ny iraka nampanaovin'i Kristy azy ireo mpianatra voalohany, koa nialoha lalana azy ireo ny Fanahiny. Natao ho tsapan'izy ireo fa raha mizara izao hafatra sy fitahiana izao izy ireo, dia tokony hahazo ny fandraisana mafana any amin'ny tokantranon'ny olona.

Amin'ny alalan'ny fanamaivanana ny fahoriana ara-batana no hanatraran' Andriamanitra ny fo. Rehefa milatsaka ao amin'ny saina ny voan'ny fahamarinana, dia Andriamanitra no manondraka izany. Faharetana be no mety hilaina mialoha ny hahaveloman' izany voa izany. Amin'ny farany anefa dia hiroborobo izany ary hitondra vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay. (...) — Ma, t. 185 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal