Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafahana ny vahoakan'Andriamanitra

Daty
Alahady 22 December 2024

"Nefa izao no lazain'i Jehôvah : Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao." - Isa. 49:25.

Mofon’aina:
Rehefa esorina tsy hiaro intsony ireo izay manaja ny lalàn'Andriamanitra ny lalàn'olombelona, dia hisy amin'ny tany samihafa fihetsiketsehana miaraka mba handringanana azy ireo. Rehefa manakaiky ny fotoana voatendry ao amin'ny didy, dia hioko ny vahoaka mba hamongotra io antoko ankahalaina io. Ho tapaka fa amin'ny alina iray voatendry no hanapotehana azy, ka hangina tanteraka ny feon'ny fisaratsarahana sy ny fanomezan-tsiny.

Mitalaho ny fiarovan'Andriamanitra ny vahoakany miely patrana, ny sasany any anaty ala, any an-tendrombohitra, ny sasany any an-tranomaizina, raha indreo manodidina azy ny fahavalony mirongo fiadiana, ampirisihin'ny anjelin'ny ratsy, ka vonona hamita ilay fandringanana farany. Amin'io fotoana io, amin'ny ora farany indrindra, no hisalovanan'Andriamanitry ny Isiraely hanafaka ny olom-boafidiny. (...) 

Mirohotra ho amin'ny hazany ireo olona ratsy fanahy manao andiany; mihorakoraka sahady noho ny fandresena izy, manaraby sy miteny ratsy; amin'izay indrindra no indro misy haizina matevina noho ny haizin'ny alina mandrakotra ny tany. Dia misy avana mamirapiratra amin'ny voninahitra avy amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, mamakivaky ny lanitra ary toa manodidina ny antokon'olona mivavaka rehetra. Tafajanona tampoka ireo vahoaka nisafoaka. Nangina teo ny antsoantsony sy ny fanarabiany. Hadinony ny antony naharomotra azy tamin'ireo hovonoina. Amin-korohoro eo am-piandrasana izay hidona no ibanjinany ny mariky ny fanekena nataon'Andriamanitra ka maniry indrindra izy ho voaro amin'ny famirapiratany mahery indrindra.

Injay feo mazava sy kanto ren'ny vahoakan'Andriamanitra manao hoe: "Miandrandra"; ary rehefa manandrandra ny fijeriny amin'ny lanitra izy, diatsinjony ny avan'ny teny fikasana. Misaraka ilay rahona mainty sy mampatahotra izay nanarona ny habakabaka, ary tahaka an'i Stefana, dia mampifantoka ny masony amin'ny lanitra izy ka mahita ny voninahitr'Andriamanitra sy ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany.

Raha mbola eo am-pilentehana ao amin'ny haizina izao tontolo izao, ny fahazavana kosa dia mamirapiratra eo amin'ny fonenan'ny olo-masina. Handray ireo fahazavana misomambisamby voalohany avy amin'ny fisehoany (fisehoan'i Jesôsy) fanindroany izy ireo. — Ma, t. 278 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal