Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hafahana ny vahoakan'Andriamanitra

Daty
Alahady 22 December 2024

"Nefa izao no lazain'i Jehôvah : Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao." - Isa. 49:25.

Mofon’aina:
Rehefa esorina tsy hiaro intsony ireo izay manaja ny lalàn'Andriamanitra ny lalàn'olombelona, dia hisy amin'ny tany samihafa fihetsiketsehana miaraka mba handringanana azy ireo. Rehefa manakaiky ny fotoana voatendry ao amin'ny didy, dia hioko ny vahoaka mba hamongotra io antoko ankahalaina io. Ho tapaka fa amin'ny alina iray voatendry no hanapotehana azy, ka hangina tanteraka ny feon'ny fisaratsarahana sy ny fanomezan-tsiny.

Mitalaho ny fiarovan'Andriamanitra ny vahoakany miely patrana, ny sasany any anaty ala, any an-tendrombohitra, ny sasany any an-tranomaizina, raha indreo manodidina azy ny fahavalony mirongo fiadiana, ampirisihin'ny anjelin'ny ratsy, ka vonona hamita ilay fandringanana farany. Amin'io fotoana io, amin'ny ora farany indrindra, no hisalovanan'Andriamanitry ny Isiraely hanafaka ny olom-boafidiny. (...) 

Mirohotra ho amin'ny hazany ireo olona ratsy fanahy manao andiany; mihorakoraka sahady noho ny fandresena izy, manaraby sy miteny ratsy; amin'izay indrindra no indro misy haizina matevina noho ny haizin'ny alina mandrakotra ny tany. Dia misy avana mamirapiratra amin'ny voninahitra avy amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, mamakivaky ny lanitra ary toa manodidina ny antokon'olona mivavaka rehetra. Tafajanona tampoka ireo vahoaka nisafoaka. Nangina teo ny antsoantsony sy ny fanarabiany. Hadinony ny antony naharomotra azy tamin'ireo hovonoina. Amin-korohoro eo am-piandrasana izay hidona no ibanjinany ny mariky ny fanekena nataon'Andriamanitra ka maniry indrindra izy ho voaro amin'ny famirapiratany mahery indrindra.

Injay feo mazava sy kanto ren'ny vahoakan'Andriamanitra manao hoe: "Miandrandra"; ary rehefa manandrandra ny fijeriny amin'ny lanitra izy, diatsinjony ny avan'ny teny fikasana. Misaraka ilay rahona mainty sy mampatahotra izay nanarona ny habakabaka, ary tahaka an'i Stefana, dia mampifantoka ny masony amin'ny lanitra izy ka mahita ny voninahitr'Andriamanitra sy ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany.

Raha mbola eo am-pilentehana ao amin'ny haizina izao tontolo izao, ny fahazavana kosa dia mamirapiratra eo amin'ny fonenan'ny olo-masina. Handray ireo fahazavana misomambisamby voalohany avy amin'ny fisehoany (fisehoan'i Jesôsy) fanindroany izy ireo. — Ma, t. 278 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal