Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - Izay mahalala ny Ray dia mahalala ny Zanaka

Daty
Talata 10 December 2024

Manerana ny filazantsaran'i Jaona, dia lazalazain'ilay Apôstôly ny fanaovan'i Jesôsy, ilay Zanaka, ny asa izay manondro ny Ray. Hazavain'i Jesôsy hoe iza ny Ray ary asehony ny Fifandraisany amin'ny tontolo misy antsika. Mifanaraka amin'ny Jao. 1:18 izany rehetra izany, izay milaza fa mampahafantatra ny Ray Izy (Grika exegeomai: manazava, maneho). Imbetsaka i Jesôsy no manao izany. In-136 no ahitana ny teny hoe Ray (pater) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ary in-18 kosa ao amin'ny 1 Jaona hatramin'ny 3 Jaona. Maherin'ny iray ampahatelon'ny fampiasana io teny io ao amin'ny TV izany. Ny lahateny ho fanaovam-beloma izay nataon'i Jesôsy no anankiray amin'ny toerana ampahafantarany ny Ray ao amin'ny Filazantsara.

Solontenan'ny Ray teto an-tany i Jesôsy, ary tonga nofo mba haneho ny sitrapon'ny Ray. Raha ny marina, dia nambarany fa ny hanao ny sitrapon'ny Ray, fa tsy ny Azy, no notadiaviny amin'ny zavatra rehetra (Jao. 5:30). Toa fanambarana manaitra no fahitana izany raha atao indray mijery, kanefa maneho izany fa nilefitra tanteraka tamin'ny Ray i Jesôsy amin'ny maha-Olona Azy.

Nolazainy koa fa nirahin'ny Ray Izy mba hamita ny Asany - ny famonjena ny taranak'olombelona - ary manambara ny Asany ny Ray (Jao. 5:36-38).

Nambaran'i Jesôsy fa naniraka Azy ny Ray mba hanaovany fanompoana ka amin'ny alalany irery ihany no hahafahan'ny taranak'olombelona manatona ny Ray (Jao. 6:40,44). Irin'ny Ray ny hananan'ny olona ny fiainana mandrakizay izay ao amin'i Jesôsy, Izy izay nampanantena fa hanangana azy ireo amin'ny fananganana amin'ny maty.

Inona ny lesona omen'ireto toko sy andininy manaraka ireto antsika momba ny fifandraisan'i Jesôsy amin'ny Ray? Jao. 7:16: Jao. 8:38; Jao. 14:10,23; Jao. 15:1,9,10; Jao. 16:27,28; Jao. 17:3.

Mahatalanjona ny fanambaran'i Jesôsy mikasika ny fifandraisany amin'ny Ray. Ambarany fa ny fampianarany rehetra dia fampianaran'ny Ray, ary izay lazainy rehetra dia reny avy tamin'ny Ray; izay mino Azy dia toy ny mino ny Ray ihany; ny Teniny sy ny Asany dia samy an'ny Ray; Izy sy ny Ray dia iray ihany ao amin'ny fitiavana ny taranak'olombelona sy ny famonjena azy ireo. Fanambarana miezinezina manao ahoana re izany momba ny firaisana ety ananan'i Jesôsy amin'ilay Rainy izay any an-danitra!

Hiova manao ahoana ny fiainanao raha toa ny fisainanao sy ny asanao maneho amin'ny fahafenoany ny sitrapon'Andriamanitra ho an'izany fiainanao izany? Izany hoe, ahoana no anehoantsika misimisy kokoa fa ny zavatra fantatsika avy amin' i Jesôsy dia sitrapon'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal